๐“๐’๐˜ ๐…๐€๐๐€๐Š๐Ž๐๐€๐๐€ ๐๐˜ ๐“๐’๐˜ ๐‘๐€๐‘๐ˆ๐๐˜ ๐๐˜ ๐…๐€๐Œ๐๐ˆ๐‡๐€๐•๐€๐๐€๐๐€, ๐…๐€ ๐ƒ๐ˆ๐๐†๐€๐๐€ ๐Œ๐€๐๐€๐-๐ƒ๐€๐๐‰๐€ ๐‡๐Ž ๐€๐Œ๐ˆ๐โ€™๐๐˜ ๐“๐„๐๐€ ๐…๐€๐๐€๐•๐€๐Ž๐™๐€๐๐€ ๐’๐˜ ๐…๐€๐๐ƒ๐‘๐Ž๐’๐Ž๐€๐๐€

๐Ÿ‡ฒ๐Ÿ‡ฌ ๐‘ณ๐’‚๐’‘๐’‚๐’’๐’Š ๐‘ด๐’‚๐’‰๐’‚๐’›๐’๐’‚๐’“๐’Š๐’—๐’
[๐‘ญ๐’‚๐’‰๐’‚-15 ๐’‚๐’๐’ˆ๐’๐’”๐’Š๐’•๐’“๐’‚ 2026]
Tsy fitaovana handrakofana ny tsy rariny na hanakonana izay tsy mety velively ny fampihavanana. **Ny tena fampihavanana dia fahasahiana miatrika ny marina, manaiky ny lesoka, mifamela ary mamerina manorina ny fifampitokisana.** Dingana iray tsy azo ihodivirana izany raha te hiroso aminโ€™ny fanavaozana marina sy ny fampandrosoana maharitra i Madagasikara.
**Ohatra velona aminโ€™izany ny famitranam-pihavanana natao tany Ambovombe.**
Nandritra ny famitranam-pihavanana teo aminโ€™ny **Filohanโ€™ny Fanavaozana, Kolonely Michaรซl RANDRIANIRINA**, sy ireo Solombavambahoaka **MILAVONJY Andriasy Philobert** ary **HENRI Jean Michel**, dia nisy ny fifamelana taminโ€™ny ratsy nifanaovana sy ny famerenana indray ny fihavanana ary ny fifampitokisana.
Fotoana nanamarihana mazava izany fa, na eo aza ny tsy fitovian-kevitra sy ny zava-nitranga teo aloha, dia azo atao hatrany ny mifamela sy miara-miroso rehefa ny tombontsoanโ€™ny firenena no atao lohalaharana.
Niray feo izy ireo niantso ny Malagasy rehetra mba hiroso aminโ€™ny **fampihavanana marina, lalina ary maharitra**.
๐Ÿ‘‰ **Ny fitiavan-tanindrazana no tokony hibaiko, fa tsy ny tombontsoa manokana.**
Rehefa ny tanindrazana sy ny soa iombonana no apetraka ho ambony indrindra, dia mihamafy ny firaisankina ary misokatra ny lalana mankany aminโ€™ny fampandrosoana.
๐Ÿ‘‰ **Iray isika na dia samy hafa aza.**
Tsy tokony hampisaraka antsika ny tsy fitovian-kevitra, ny fironana ara-politika na ny fomba fijery. Ny fahasamihafana kosa dia tokony ho hery manosika antsika hifampihaino, hifanaja ary hifanatona.
๐Ÿ‘‰ **Tsy ampy ny fahalalana raha tsy misy fitiavana sy fanetren-tena.**
Na maro aza ny nahita fianarana sy manam-pahaizana, dia sarotra ny hahatongavana aminโ€™ny fihavanana raha mbola manjaka ny hambom-po sy ny fifandrafiana. Fotoana izao hametrahana ny fifanajana sy ny fifankatiavana ho fototry ny fiaraha-monina.
๐Ÿ‘‰ **Aleo miara-mandeha aloha, dia mifanaraka eny an-dalana.**
Ny fahavononana hiara-hipetraka, hifampihaino ary hiara-handroso no manokatra ny lalana mankany aminโ€™ny fifanarahana sy ny fandriampahalemana iombonana.
**Ny tena fihavanana dia miainga aminโ€™ny fo: fo vonona hifamela, hanitsy amim-pitiavana, tsy hankahala ary tsy hanalabaraka.**
Koa antsoina ny Malagasy rehetra mba **hanokatra ny fo, hampandefitra ny hambom-po, hametraka ny tanindrazana ho amboninโ€™ny tombontsoa manokana, ary hiara-hanorina ny hoavinโ€™i Madagasikara.**
**Satria tsy misy fanavaozana maharitra raha tsy misy fihavanana marina, ary tsy misy fampandrosoana matanjaka raha tsy misy firaisankina.**
๐—ก๐˜† ๐—ฆ๐—ฒ๐—ฟ๐—ฎ๐˜€๐—ฒ๐—ฟ๐—ฎ