Nandray ireo solontenan’ny vondrona mivoy ny rafitra federaly eto Madagasikara ny Talem-paritra ny Fanavaozana Analanjirofo Rtoa Andrianandraina Aldine, izay tonga nanao fitsidihana ara-pomba ofisialy.
Nandritra ny fihaonana dia nampahafantarin’izy ireo ny hetsika kasaina hotanterahina ny sabotsy 25 Jolay 2026 ao Fenoarivo Atsinanana. Hifantoka amin’ny fampahafantarana ny vina sy ny tanjon’ny rafitra federaly izany, ary hanomezana fanazavana
momba ny antony heverin’izy ireo fa afaka mitondra tombontsoa ho an’ny Faritra sy manamafy ny fiandrianam-pirenena.
Tanjona moa ny hifampizara vaovao sy hampahafantatra ny hetsika ho avy ary hanamafy ny fifanakalozan-kevitra amin’ireo tompon’andraiki-panjakana.