17–18 Jolay 2026 Faritra Atsimo Atsinanana
β³π…πšπ§πžπ§π­πšπ§πšπ§πš π¦π¨π¦π›πš 𝐧𝐲 π…π’π€πšπ¨π§πšπ§ππ¨π‘πšπ¦-𝐩𝐒𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚 𝐭𝐚𝐨 𝐚𝐦𝐒𝐧’𝐒𝐫𝐞𝐨 𝐀𝐚𝐨𝐦𝐒𝐧𝐒𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐫𝐨𝐦𝐚𝐫𝐨 𝐚𝐨 𝐚𝐦𝐒𝐧’𝐧𝐲 πƒπ’π¬π­π«π’π€πšπ§’𝐒 π…πšπ«πšπŸπšπ§π πšπ§πš
πŸ‘‰Nidina ifotony tao amin’ny Kaominina maromaro tao amin’ny Distrikan’i Farafangana ny Talem-paritra Misahana ny Fanavaozana Atsimo Atsinanana Atoa Iotokarozy.
🎯Fanentanana momba ny Fikaonandoham-pirenena, izay hotanterahina eny anivon’ny Fokontany, Kaominina, Distrika ary Faritra, eo ambany fitarihan’ny FFKM.Tao amin’ny kaominina Ambanivohitra Ivandrika, Iabohazo ary Mahabo Mamanivo no nanaovana ny fanentanana.
πŸ§©πŸ“Nandray anjara tamin’izany ireo Ben’ny TanΓ na sy ny mpiara-miasa aminy, ny Commandant de Brigade ny Zandarimariam-pirenena, ireo Lehiben’ny Fokontany, KMD, Mpanjaka ary ireo hery velona ao an-toerana.
πŸ“–πŸ“Nisy ny fifanakalozan-kevitra sy fanontaniana, ka nahazoana fanazavana nahafa-po. Nentanina ihany koa ireo mpandray anjara mba hampita ny vaovao eny amin’ny fokontany misy azy avy.
🀝 Naneho ny fahavononany handray anjara mavitrika amin’ny Fikaonan-doham-pirenena ireo mponina, ary hitondra ny hetahetany sy ny olana sedrainy, mba hahafahana mametraka vahaolana maharitra ho an’ny fampandrosoana miainga avy eny ifotony.