Notanterahina androany ny lanonana ofisialy, notarihin’ny Minisitra misahana ny Fanavaozana, Me Hanitra Razafimanantsoa, nametrahana ireo Talem-paritra Misahana ny Fanavaozana miisa telo.
Boeny : Atoa Razafindrakoto Tojo Harinala
Betsiboka : Atoa Ramaroson MoΓ―se
Melaky : Atoa Randriamampionona Roger
Nandritra ny lahateniny, ny Minisitra dia nanamafy fa « π΅π πππππππππππ π ππ : πππππππππππ ππ ππππππππππ’ππ πππππππππ. πππππππππππ πππππ πππππ πππ ππππ ππ ππ ππ ππ π ππππ’ππ ππππππππΒ Β».
Tonga nanotrona ity lanonana ity ireo mpikambana vitsivitsy eo anivon’ny Governemanta. Teo ihany koa ireo olom-boafidy sy olom-boatendry an-toerana.
Ity fametrahana ireto Talem-paritra vaovao ity dia manamafy ny fanakaikezan’ny Fitantanan-draharaham-panjakana amin’ny vahoaka, sy ny fanamafisana ny asa fanavaozana eny anivon’ny Faritra. Olona mahalala ny maharary any amin’ny faritra tsirairay ihany koa no tendrena.