17 Jolay 2026 | πŸ“MaevatanΓ na – Faritra Betsiboka
πŸƒ π‡πšπ³πšπ€πšπ³πšπ€π² 𝐧𝐲 π…π’π«πšπ’π¬πšπ§π€π’π§πš 𝐬𝐲 𝐧𝐲 π…πšπ§ππ«π’πšπ¦π©πšπ‘πšπ₯𝐞𝐦𝐚𝐧𝐚, 𝐀𝐧𝐭𝐨𝐀𝐲 𝐧𝐲 π…πšπ¦π©πšπ§ππ«π¨π¬π¨πšπ§πš
πŸ”†πŸ“Notanterahina ny zoma 17 jolay 2026 ny « Hazakazaky ny Firaisankina sy ny Fandriam-pahalemana, Antoky ny FampandrosoanaΒ Β», hetsika nokarakarain’ny Faritra Betsiboka notarihin’ny Lehiben’ny Faritra, Andriamatoa TOMBOZARA.Anisan’ireo nandray anjara mavitrika ny Prefektiora, ny Ben’ny TanΓ na, ny Fitaleavam-paritra Misahana ny Fanavaozana Betsiboka ary ireo Fitaleavam-paritra isan-tsokajiny.
β˜‘οΈNiainga teo amin’ny biraon’ny Faritra Betsiboka ny hazakazaka, namakivaky ny tanΓ nan’i MaevatanΓ na ary nifarana teo amin’ny Lapan’ny TanΓ na. Nandritra izany dia nisy ihany koa ny fanolorana fitaovana ara-panatanjahantena ho an’ireo tanora niavaka tamin’ny ezaka nataony.
πŸ“πŸ”–Nambaran’ny Lehiben’ny Faritra fa natao hanamafisana ny firaisankina sy ny fiaraha-miasa eo amin’ireo Sampandraharaham-panjakana (STD) sy ireo Vondrom-bahoakam-paritra Itsinjaram-pahefana (CTD) ity hetsika ity. Nohamafisiny ihany koa ny anjara toerana lehibe ananan’ny fanatanjahantena amin’ny fanabeazana ny tanora sy ny fiarovana azy ireo amin’ny fidorohana zava-mahadomelina.