Notanterahina ny 16 Jolay 2026 ny fihaonana teo amin’ny Filohan’ny FFKM Faritra DIANA sy ny Talem-paritry misahana ny Fanavaozana (DRR DIANA) Atoa Andriamberomanga Merthon Simon, niresahana ny fandrindrana ny fanentanana ifotony mialoha ny hanombohan’ny Fikaonandoham-pirenena.
Nifampizara ny fomba fiasa sy ny dingana arahina ny roa tonta mba hampahafantarana ny vahoaka fa ny FFKM no hitarika ny Fikaonandoham-pirenena eny ifotony ary ny Minisitera no hanampy tosika ar-teknika sy ara-pitaovana.
Naneho ny fanohanany sy nanome tso-drano ny Fitaleavam-paritra Misahana ny Fanavaozana DIANA ny Ray aman-dReny am-panahy. Nohamafisin’izy ireo ihany koa fa miandry ny toromarika ofisialy avy amin’ny FFKM Foibe izy ireo, sady vonona hanatanteraka izany manomboka eny anivon’ny Fokontany,Kaominina,Distrika ary Faritra.