πŸ“ Faritra Vatovavy
🀝 π…π’π€πšπ¨π§πšπ§ππ¨π‘πšπ¦-π›πžπ§’𝐧𝐲 π…π’πšπ«πšπ‘πšπ¦π¨π§π’π¦-𝐩𝐒𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚 : 𝐑𝐚𝐑𝐚𝐫𝐒𝐭𝐫𝐚 𝐭𝐞π₯𝐨 𝐚𝐧𝐝𝐫𝐨 𝐚𝐨 𝐌𝐚𝐧𝐚𝐧𝐣𝐚𝐫𝐲
πŸ“ Natomboka tany Mananjary, tao amin’ny Β« La RΓ©sidence ECAR Β» Ampasimandrorona, ny 12 Aogositra ny π…π’π€πšπ¨π§πšπ§ππ¨π‘πšπ¦-𝐩𝐒𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧’𝐧𝐲 π…π’πšπ«πšπ‘πšπ¦π¨π§π’π¦-𝐩𝐒𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚 𝐑𝐨 𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐫𝐒𝐭𝐫𝐚 π•πšπ­π¨π―πšπ―π², ary haharitra telo andro.
Mandritra izany fotoana izany, dia hamantatra ny olana fototra misy amin’ny faritra ny mpandray anjara, ary hitady vahaolana mahomby sy maharitra mifandraika amin’izany.
πŸŽ–οΈ Tonga nanatrika sy nanome voninahitra izany ny Talem-paritra misahana ny Fanavaozana ho an’ny faritra Vatovavy, Fridolin Caleb, sy ireo mpiara-miasa aminy akaiky. Vonona hifanome tΓ nana ny roa tonta ho an’ny fampandrosoana ny firenena sy ny faritra.
πŸ” Anisan’izay mitondra anjara lehibe amin’ny fampandrosoana ny Fiarahamonim-pirenena, amin’ny maha mpanara-maso ny fizotry ny raharaham-pirenena azy ireo mivantana, no sady koa andry ianteherana amin’ny Fikaonandoha izay hatomboka eny ifotony.