📍 Faritra Fitovinany
📢 𝐅𝐚𝐧𝐞𝐧𝐭𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐡𝐢𝐬𝐢𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐦𝐚𝐧𝐠𝐚𝐫𝐚𝐡𝐚𝐫𝐚 𝐡𝐨 𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐩𝐚𝐧𝐝𝐫𝐨𝐬𝐨𝐚𝐧𝐚
📝 Nampahafantatra ny programan’asa « Accelereo » ny tetikasa PIC na Pôle Intégré de Croissance izay entina hanohanana ireo orinasa madinika malagasy.
Nanatrika izany hetsika izany ny Talem-paritra misahana ny Fanavaozana ao amin’ny faritra Fitovinagny, Romario RANDRIAZAFY dit Mahazomora.
Notsindriany tao anatin’ny lahateniny fa anisan’ny mampandroso ny faritra ny programan’asa toy izao ka nanentana ny tenany mba hisy fangaharahana hoan’ny mpandray anjara rehetra.
🎙️ Notsindriny fa anisan’ny mampandroso ny faritra ny programan’asa toy izao, ka nanentana ny mangarahara ho an’ny mpandray anjara rehetra.
🤝 Ny programa “Accelereo” dia natomboky ny Governemantan’i Madagasikara, miaraka amin’ny fanohanan’ny Banky Iraisam-pirenena, ary tanterahin’ny Tetikasa PIC.
Ireo orinasa voafantina dia mahazo fitaovana, fifandraisana anaty tambajotra ary fanohanana amin’izay ilaina mba hanafainganana ny fivoarany sy ny fahafahany mitombo. Izany dia natao azy ireo hiatrika any amin’ny fahombiazana