π…π’π­π¬π’ππ’π‘πšπ§πš 𝐚𝐫𝐚-π©π¨π¦π›πš 𝐟𝐒𝐟𝐚𝐧𝐚𝐣𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐏𝐃𝐒𝐧'𝐧𝐲 𝐊𝐚𝐨𝐦𝐒𝐧𝐒𝐧𝐚 π€π¦π›π¨π§π’π―π¨π‘π’π­π«πš 𝐌𝐚𝐑𝐚𝐣𝐚𝐧𝐠𝐚

πŸ“ Faritra Boeny
πŸ—“οΈ 04 Aogositra 2026
Β 
Nanao fitsidihana ara-pomba fifanajana ny Talem-paritra misahana ny Fanavaozana Boeny Atoa Razafindrakoto Tojo sy ireo Lehiben’ny Sampandraharaha (Chefs de service), ka noraisin’Andriamatoa PDS-n’ny Kaominina Ambonivohitr’i Mahajanga.
🀝Nandritra ny fihaonana dia nanamafy ny PDS fa vonona ny hiara-hiasa sy hanohana tanteraka ny Fitaleavam-paritra misahana ny Fanavaozana Boeny ny Kaominina Ambonivohitr’i Mahajanga, satria ny Fanavaozana no isan’ny laharam-pahamehan’ny Fitondrana amin’izao fotoana izao.
# MCR # Fanavaozana
# Fifanajana
# Fiarahamientana
# Fanolorantena