📍Faritra Boeny
Mahajanga -Mangarivotra
𝗩𝗼𝗻𝗼𝗻𝗮 𝗵𝗶𝗮𝗿𝗮-𝗵𝗶𝗮𝘀𝗮 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗸𝗮𝗻-𝗸𝗲𝘃𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗶𝗳𝗼𝘁𝗼𝗻𝘆 𝗻𝘆 𝘀𝗲𝗳𝗼 𝗳𝗼𝗸𝗼𝗻𝘁𝗮𝗻𝘆 𝗩𝗮𝗼𝘃𝗮𝗼
✅Omaly 10 Aogositra 2026 no nandray ny fitantanana ny fokontanin’i Mangarivotra ny sefo fokotany vaovao. Ary tonga nanatanteraka ny fitsidihana ara- pomba fifanajana ny talem-paritra misahana ny Fanavaozana ao amin’ny faritra Boeny tao amin’ny toeram-piasany ny tenany androany.
🤝Nandritra ny fihaonan’ny roa tonta dia naneho ny fahavononany hiara-hiasa amin’ny fakan-kevitra eny ifotony ny sefo fokontanin’i Mangarivotra.
🟢Zava-dehibe ho an’ny fizotry ny fikaonandoha izao fiaraha-miasa izao satria ny sefo fokontany dia anisan’ireo tompon’andraikitra akaiky indrindra ny mponina ary afaka manampy amin’ny fanamorana ny fifandraisana sy ny fifanakalozan-kevitra eny anivon’ny fiaraha-monina.
#mcr #FikaonanDoha#Fanavaozana
#fifanajana#FiarahaMientana#fanolorantena