๐Ÿ›ก๏ธManoloana ny fitomboanโ€™ny loza sy ny voka-dratsy ateraky ny fiovanโ€™ny toetrandro dia manamafy ny fahafaha-miatrika ara-bola ny firenena Malagasy, ahafahana miomana mialoha sy manetsika ireo loharanom-bola ilaina rehefa misy ny voina. Nidinika an-databatra boribory ny Cellule de Prรฉvention et dโ€™Appui ร  la Gestion des Urgences (CPGU) eo anivonโ€™ny Primatiora sy ny Minisiteranโ€™ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola (MEF), miaraka aminโ€™ireo mpiara-miombonโ€™antoka ara-teknika sy ara-bola, ny 29 septambra 2026, ho fanamafisana ny faharetanโ€™ny rafitra fiantohana ataonโ€™ny fanjakana aminโ€™ny ยซย ๐€๐Ÿ๐ซ๐ข๐œ๐š๐ง ๐‘๐ข๐ฌ๐ค ๐‚๐š๐ฉ๐š๐œ๐ข๐ญ๐ฒย ยป (ARC), ao anatinโ€™ny Global Shield.
๐Ÿค Nivoitra taminโ€™ity fifampidinihana ity ny fanamafisana ny ezaka ataonโ€™ny Governemanta sy ireo mpiara-miombonโ€™antoka aminโ€™ny famatsiambola ilaina aminโ€™ny fiantohana ny haintany sy ny rivodoza ary ny tondra-drano ho anโ€™ny vanim-potoana 2026โ€“2027. Teo ihany koa ny fanamafisana ny fiaraha-miasa aminโ€™ny ๐—•๐—ฎ๐—ป๐—พ๐˜‚๐—ฒ ๐—”๐—ณ๐—ฟ๐—ถ๐—ฐ๐—ฎ๐—ถ๐—ป๐—ฒ ๐—ฑ๐—ฒ ๐——๐—ฒฬ๐˜ƒ๐—ฒ๐—น๐—ผ๐—ฝ๐—ฝ๐—ฒ๐—บ๐—ฒ๐—ป๐˜ aminโ€™ny alalanโ€™ny fandaharanasa ๐—”๐—ณ๐—ฟ๐—ถ๐—ฐ๐—ฎ ๐——๐—ถ๐˜€๐—ฎ๐˜€๐˜๐—ฒ๐—ฟ ๐—ฅ๐—ถ๐˜€๐—ธ ๐—™๐—ถ๐—ป๐—ฎ๐—ป๐—ฐ๐—ถ๐—ป๐—ด (ADRiFi), ny ๐—•๐—ฎ๐—ป๐—พ๐˜‚๐—ฒ ๐— ๐—ผ๐—ป๐—ฑ๐—ถ๐—ฎ๐—น๐—ฒ aminโ€™ny alalanโ€™ny ๐—ฅ๐—ฒ๐—ด๐—ถ๐—ผ๐—ป๐—ฎ๐—น ๐—˜๐—บ๐—ฒ๐—ฟ๐—ด๐—ฒ๐—ป๐—ฐ๐˜† ๐—ฃ๐—ฟ๐—ฒ๐—ฝ๐—ฎ๐—ฟ๐—ฑ๐—ป๐—ฒ๐˜€๐˜€ ๐—ฎ๐—ป๐—ฑ ๐—”๐—ฐ๐—ฐ๐—ฒ๐˜€๐˜€ ๐˜๐—ผ ๐—œ๐—ป๐—ฐ๐—น๐˜‚๐˜€๐—ถ๐˜ƒ๐—ฒ ๐—ฅ๐—ฒ๐—ฐ๐—ผ๐˜ƒ๐—ฒ๐—ฟ๐˜† (REPAIR), sy ny ๐—š๐—น๐—ผ๐—ฏ๐—ฎ๐—น ๐—ฆ๐—ต๐—ถ๐—ฒ๐—น๐—ฑ ๐—ฆ๐—ผ๐—น๐˜‚๐˜๐—ถ๐—ผ๐—ป๐˜€ ๐—ฃ๐—น๐—ฎ๐˜๐—ณ๐—ผ๐—ฟ๐—บ, ary koa ireo rafitra sy mpiara-miombonโ€™antoka hafa nandray anjara taminโ€™ny fiantohana ny prime ARC.
โœ… Anisanโ€™ny lahadinika ihany koa ny fandraisana an-tanana ny filร nโ€™ireo mpiara-miombonโ€™antoka ao anatinโ€™ny ARC Replica miaraka aminโ€™ny Programme Alimentaire Mondial (PAM) sy ny Start Network. Mitohy ihany koa ezaka iombonana aminโ€™ny fametrahana rafitra famatsiambola maharitra, azo vinavinaina ary hitohy mandritra ny taona maro.