Natolotra tamin’ny fomba ofisialy ny Filohanβny Fanavaozana ny Repoblika, ny Kolonely MichaΓ«l Randrianirina androany teny Ivato ny Fehin-kevitra avy aminβny Fikaonandoham-pirenen’ny Tanora. Nandray izany antontan-taratasy izany ihany koa ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta Atoa Mamitiana Rajaonarison, ny Minisitra misahana ny Fanavaozana, Me Hanitra Razafimanantsoa.
.
Nambaranβny Filohanβny Fanavaozana, Kolonely MichaΓ«l Randrianirina, fa ny tanora no fototry ny Fanavaozana ary nantsoiny handray anjara aminβny fifampidinihana ara-politika ho avy. Tsy misy Fanavaozana hahomby raha tsy eo ny tanora.
Nambaranβny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena fa hisy solontenanβny tanora 6 ao aminβny komity teknika manaramaso ny Fikaonandoham-pirenena.
Fotokevitra lehibe nivoitra ny :
fananganana fanjakana tokana miaraka aminβny fitsinjaram-pahefana tena izy,
na koa ny fanjakana federaly, ho isanβireo hodinihina mandritra ny Fikaonandoham-pirenena.
Nanamafy ny fanohanany anβi Madagasikara ny Firenena Mikambana, ary nanambara kosa ireo tanora fa handray anjara mavitrika aminβny fanorenana ny hoavinβny firenena.