MANAKARA | 07 OKTOBRA 2026
πŸ™ π•π€π•π€πŠπ€ πˆπ‘π€πˆπ’π€πŒ-ππˆππŽπ€ππ€ π’π˜ π…π€ππŽπŠπ€π…π€ππ€ 𝐍𝐘 π…π€πŒππˆπŽπ…π€ππ€ππ€ π‡πŽ π€πŒπˆπ’𝐍𝐘 π…πˆπŠπ€πŽππ€ππƒπŽπ‡π€πŒ-ππˆπ‘π„ππ„ππ€
πŸ™Nosokafana tamin’ny vavaka iraisam-pinoana, niarahana tamin’ny FFKM tao amin’ny FJKM Manakara, ny fampiofanana ireo Mpanamora, Mpitan-tsoratra ary Mpiandraikitra ny fampitaovana amin’ny Fikaonandoham-pirenena ho an’ny Faritra Fitovinany.
➑Nanatrika ny fotoana ireo olomanan-kaja ambony ao amin’ny Faritra , ny Talem-paritra misahana ny Fanavaozana Fitovinany, Atoa RANDRIAZAFY Romario .
πŸ“Nandritra ny fotoana dia nohamafisina ny maha-zava-dehibe ny fiaraha-mientana, ny fahitsiana ary ny fahavononana amin’ny fanatanterahana ny andraikitra hiantsorohan’ireo mpiofana. Ity fampiofanana ity dia natao hanamafisana ny fahaiza-manao sy ny fandrindrana, mba hahafahan’ny rehetra mandray anjara amim-pahombiazana amin’ny fanomanana sy fanatanterahana ny Fikaonandoham-pirenena.
πŸ“£Nisy ny antso ho amin’ny firaisankina sy ny fiaraha-miasa eo amin’ireo mpandray anjara , ho fanatrarana ny tanjona iombonana ho an’ny Faritra Fitovinany.πŸ‡²πŸ‡¬πŸ‡²πŸ‡¬
# MCR # Fanavaozana
# Fifanajana
# Fiarahamientana
# Fanolorantena