π’πŽπŒπ€ πŒπ€π•π€π‘π€πŠπ€ – π€π§ππ’πšπ§π² 𝐟𝐚𝐑𝐚-πŸπŸ—

πŸ“… 10 Aogositra 2026
πŸ“ Mahajanga – Faritra Boeny
πŸ… π’πŽπŒπ€ πŒπ€π•π€π‘π€πŠπ€ – π€π§ππ’πšπ§π² 𝐟𝐚𝐑𝐚-πŸπŸ—
Notanterahina tao Mahajanga ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny Lalao Nasionalin’ny Fanatanjahantena an-tsekoly (JNSS) 2026, andiany faha-29 amin’ny SOMA MAVARAKA, izay mikendry ny π‘πšπ¦π©π’π«π¨π›π¨π«π¨π›π¨πšπ§πš 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐭𝐚𝐧𝐣𝐚𝐑𝐚𝐧𝐭𝐞𝐧𝐚 𝐚𝐧-𝐭𝐬𝐞𝐀𝐨π₯𝐲 𝐬𝐲 𝐑𝐚𝐧𝐚𝐬𝐨𝐧𝐠𝐚𝐝𝐒𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐒𝐫𝐞𝐨 𝐭𝐚π₯𝐞𝐧𝐭𝐚 𝐑𝐨 𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐭𝐚𝐧𝐨𝐫𝐚 𝐌𝐚π₯𝐚𝐠𝐚𝐬𝐲.
πŸ›οΈHetsika karakarain’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, ny Minisiteran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana Arak’asa, ary ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.
πŸ‘₯Mpandray anjara maherin’ny 2 000 avy amin’ny faritra 24, ahitana mpianatra sy mpanabe, no mandray anjara amin’ity andiany ity, amin’ny taranja :
πŸƒ AthlΓ©tisme⚽ Football Γ  7🀾 HandballπŸ€ Basketballβ™Ώ Handisport
πŸŽ™οΈ Nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny hetsika ny 𝐏𝐫𝐚𝐒𝐦𝐒𝐧𝐒𝐬𝐒𝐭𝐫𝐚 π‹πžπ‘π’π›πžπ§β€™π§π² π†π¨π―πžπ«π§πžπ¦πšπ§π­πš, π€π­π¨πš π‘πšπ£πšπ¨π§πšπ«π’π¬π¨π§ 𝐌𝐚𝐦𝐒𝐭𝐒𝐚𝐧𝐚, izay nanamafy fa Β«Β π’π’š π’‡π’‚π’‰π’π’Žπ’ƒπ’Šπ’‚π’›π’‚π’π’‚ π’…π’Šπ’‚ π’—π’π’Œπ’‚π’•π’“π’š π’π’š π’‡π’Šπ’‚π’“π’‚π’‰π’‚-π’Žπ’Šπ’†π’π’•π’‚π’π’‚ π’”π’š π’π’š π’‡π’Šπ’‚π’“π’‚π’‰π’‚-π’Žπ’Šπ’‚π’”π’‚, π’”π’‚π’•π’“π’Šπ’‚ π’•π’”π’š π’Žπ’Šπ’”π’š π’Žπ’‚π’‰π’‚π’—π’Šπ’•π’‚ 𝒕𝒆𝒏𝒂”.
🌟 Anisan’ireo nanatrika izany ny 𝐌𝐒𝐧𝐒𝐬𝐒𝐭𝐫𝐚 𝐦𝐒𝐬𝐚𝐑𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 π…πšπ§πšπ―πšπ¨π³πšπ§πš, 𝐌𝐞 π‡πšπ§π’π­π«πš π‘πšπ³πšπŸπ’π¦πšπ§πšπ§π­π¬π¨πš, sy ireo mpikambana maromaro eo anivon’ny Governemanta.
🎯 Nohamafisina nandritra ny fotoana fa ny fanatanjahantena an-tsekoly dia sehatra iray lehibe :
➑️ hampivelarana sy hampisongadinana ireo tanora manan-talenta;
➑️ hanomanana ireo taninketsa ho amin’ny fanatanjahantena avo lenta;
➑️ hampiroboroboana ny firaisankina sy ny fifanajana;
➑️ hanandratana ny hambom-po maha-Malagasy;
➑️ hampitomboana ny fampidirana ireo olona manana fahasembanana amin’ny sehatry ny fanatanjahantena.
β™Ώ Naneho fanohanana manokana ho an’ireo olona manana fahasembanana ny Praiminisitra, ka nanolotra 2 000 000 Ariary ho azy ireo.
🀝 Nankasitrahana manokana ihany koa ireo zaza varira nandray anjara tamin’ny hetsika, niaraka tamin’ny antso avo ho amin’ny fanafoanana ny fanavakavahana sy ny herisetra atao amin’izy ireo. Nambara ihany koa ny ezaka ataon’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena amin’ny fandraisana ireo mpiasa manana toe batana varira.
πŸ’° Ho fanamafisana ny fanohanana ara-teknika, dia nanolotra 1 tapitrisa Ariary avy ho an’ireo zaza manana toe batana varira.
✨ π‘΅π’š 𝒇𝒂𝒏𝒂𝒕𝒂𝒏𝒋𝒂𝒉𝒂𝒏𝒕𝒆𝒏𝒂 𝒂𝒏-π’•π’”π’†π’Œπ’π’π’š : 𝒔𝒆𝒉𝒂𝒕𝒓𝒂 π’Šπ’“π’‚π’š 𝒉𝒂𝒏𝒂𝒃𝒆𝒂𝒛𝒂𝒏𝒂, π’‰π’‚π’Žπ’‘π’Šπ’“π’‚π’š π’‰π’Šπ’π’‚ π’‚π’“π’š π’‰π’‚π’π’‚π’π’ˆπ’‚π’π’‚π’π’‚ π’•π’‚π’“π’‚π’π’‚π’Œπ’‚ π‘΄π’‚π’π’‚π’ˆπ’‚π’”π’š 𝒗𝒂𝒏𝒐𝒏𝒂 π’”π’š π’Žπ’Šπ’“π’†π’‰π’‚π’“π’†π’‰π’‚ π’‚π’Žπ’Šπ’β€™π’π’š π’Žπ’‚π’‰π’‚-π‘΄π’‚π’π’‚π’ˆπ’‚π’”π’š π’‚π’›π’š.