π’π€π‹πŽπ 𝐃𝐄 π‹β€™π€π”π“πŽ πŸπŸŽπŸπŸ” : ππˆπ“π’πˆπƒπˆπŠπ€ 𝐍𝐘 π‡π„π“π’πˆπŠπ€ π“π„ππ˜ π€πŒπˆπβ€™ππ˜ π‚π‚πˆ πˆπ•π€π“πŽ 𝐍𝐘 ππ‘π€πˆπŒπˆππˆπ’πˆπ“π‘π€

𝑳𝒂𝒑𝒂𝒏’π’Š π‘΄π’‚π’‰π’‚π’›π’π’‚π’“π’Šπ’—π’
[𝑭𝒂𝒉𝒂-25 π‘Ίπ’†π’‘π’•π’‚π’Žπ’ƒπ’“π’‚]
πŸš— Nitsidika ny Salon de l’Auto 2026, tanterahina etsy amin’ny Centre de ConfΓ©rences Internationales (CCI) Ivato, ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, RAJAONARISON Mamitiana.
Nandritra ny fitsidihana dia nijery ireo tranoheva sy ireo fiara ary teknolojia vaovao asehon’ireo mpandraharaha eo amin’ny sehatry ny fiarakodia ny Lehiben’ny Governemanta. Fotoana ihany koa izany nahafahany nifampiresaka tamin’ireo mpisehatra sy matihanina amin’ity sehatra ity.
Andiany faha-15 amin’ny Salon de l’Auto eto Madagasikara ity, izay mitondra ny lohahevitra Β« MobilitΓ© intelligente Β», ary manasongadina indrindra ireo fivoarana vaovao eo amin’ny sehatry ny fitaterana sy ny fiarakodia, toy ny fiara elektrika sy hybrides ary ireo teknolojia vaovao mifandraika amin’ny fiarovana sy ny fivezivezena.
Hotanterahina amin’ny vanim-potoana roa eny amin’ny CCI Ivato ny hetsika, ny 25 ka hatramin’ny 27 septambra, ary hitohy ny 1 ka hatramin’ny 4 oktobra 2026.
Ny Serasera