𝑳𝒂𝒑𝒂𝒏’𝒊 𝑴𝒂𝒉𝒂𝒛𝒐𝒂𝒓𝒊𝒗𝒐
[𝑭𝒂𝒉𝒂- 18 aogositra 2026]
Nifarana tao Durban, Afrika Atsimo, ny Fihaonambe ara-potoana faha-46 an’ireo Filoham-panjakana sy Lehiben’ny Governemanta ao amin’ny SADC.
Ao anatin’ny fanambarana ofisialy navoaka taorian’ny fihaonana, ny andininy faha-9 sy faha-10 no miresaka manokana an’i Madagasikara.
🔹 Nankasitrahan’ny SADC ny fifampidinihana manorina efa misy eto Madagasikara, miaraka amin’ny fandraisan’anjaran’ny Panel of Elders, ny Mediation Reference Group ary ny Sekretarian’ny SADC.
🔹 Nohamafisin’ny SADC ihany koa ny fanohanany ny dingana Fanavaozana eto Madagasikara, indrindra amin’ny fanamafisana ny fitantanana iarahan’ny rehetra mandray anjara, ny rafitra demokratika, ny tamberin’andraikitra, ny fanajana ny zon’olombelona, ny fandraisan’anjaran’ny olom-pirenena ary ny fiverenana amin’ny filaminana ara-dalàm-panorenana.
🔹 Ao amin’ny andininy faha-10 kosa, niantso ireo mpisehatra rehetra eto Madagasikara ny SADC mba hitandro ny fitoniana ary hampiasa ny fifampiresahana ho vahaolana amin’ny tsy fitovian-kevitra.
Mifanaraka amin’ny sori-dalana napetraky ny Fitondrana Fanavaozana ireo foto-kevitra ireo : fampitoniana ny firenena, fanatanterahana fanavaozana lalina sy maharitra, ary fanomanana fifidianana mangarahara, azo antoka ary iarahan’ny rehetra manaiky.
Noho izany, ny fanambarana navoakan’ny SADC dia tsy mifanohitra amin’ny dingana Fanavaozana, fa manamafy kosa ny maha-zava-dehibe ny fifampiresahana, ny fitoniana, ny demokrasia ary ny fanavaozana maharitra ho an’i Madagasikara.
Communiqué officiel du 46ᵉ Sommet ordinaire des Chefs d’État et de Gouvernement de la SADC — Durban, 17 août 2026.