MCR
Ministรจre Chargรฉ de la Refondation
MCR
Ministรจre Chargรฉ de la Refondation
๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐-๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐-๐๐๐๐ : ๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐โ๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐
๐ณ๐๐๐๐’๐ ๐ด๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐
[๐ญ๐๐๐-23 ๐๐๐๐๐๐๐๐๐]
Noraisinโny Praiminisitra, Lehibenโny Governemanta, RAJAONARISON Mamitiana, androany ireo tanora malagasy hiatrika ny Olympiade Internationale sur la Sรฉcuritรฉ Financiรจre, hotanterahina any Krasnayark, Rosia, ny 27 septambra ka hatraminโny 2 oktobra 2026.
Mpianatra miisa 15 no hisolontena anโi Madagasikara aminโity fifaninanana iraisam-pirenena ity. Ny 10 aminโizy ireo, sokajy Oniversite, dia avy aminโny UCM, OniversitenโAntananarivo ary INSCAE. Mpianatra 5 kosa no ao aminโny sokajy Collรจge sy Lycรฉe, avy aminโny Lycรฉe Andoharanofotsy, Vanille Chocolat, Peter Pan, ESCA ary Claire Fontaine.
Nandritra ny fihaonana dia nitondra hafatra ho anโireo tanora sy ny delegasiona ny Praiminisitra, mialoha ny handehananโizy ireo hisolo tena anโi Madagasikara aminโity sehatra iraisam-pirenena ity.
Ireo mpianatra ireo dia voafantina taminโny alalanโny fifaninanana an-tserasera nokarakarainโny Federasiona Rosiana. Mifantoka indrindra aminโny ady aminโny famotsiam-bola sy ny famatsiam-bola ny asa fampihorohoroana (LBC/FT) ny taranja hifaninanana, ka noho izany dia ny Tale Jeneraly mpisolo toerana ao aminโny SAMIFIN no mitarika ny delegasiona malagasy, izay ahitana ireo mpianatra 15 sy mpanaraka 5.
Efa nandray anjara taminโity Olympiade ity i Madagasikara taminโny taona 2025, tao aminโny sokajy Oniversite, ary iray taminโireo mpianatra malagasy no nahazo ny mari-boninahitra โlaurรฉatโ. Aminโity taona 2026 ity kosa no sambany handraisanโi Madagasikara anjara aminโny sokajy Collรจge sy Lycรฉe.
Fotoana iray ahafahanโireo tanora malagasy mampiseho ny fahalalany sy ny fahaiza-manaony ary misolo tena ny firenena eo aminโny sehatra iraisam-pirenena ity fifaninanana ity.
๐ก๐ ๐ฆ๐ฒ๐ฟ๐ฎ๐๐ฒ๐ฟ๐ฎ