𝐍𝐒𝐭𝐬𝐨𝐝𝐫𝐚𝐧𝐨 𝐚𝐧-ππ‘πšπ¦πšπ­π¨πš 𝐌𝐒𝐧𝐒𝐬𝐒𝐭𝐫𝐚 𝐦𝐒𝐬𝐚𝐑𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 π…πšπ§πšπ―πšπ¨π³πšπ§πš 𝐬𝐲 𝐧𝐲 π“πšπ₯𝐞𝐦-𝐩𝐚𝐫𝐒𝐭𝐫𝐚 𝐧𝐲 𝐌𝐩𝐚𝐧𝐣𝐚𝐀𝐚 πˆπ’π’π€

πŸ“ Faritra Diana – Ambilobe
𝐍𝐒𝐭𝐬𝐨𝐝𝐫𝐚𝐧𝐨 𝐚𝐧-ππ‘πšπ¦πšπ­π¨πš 𝐌𝐒𝐧𝐒𝐬𝐒𝐭𝐫𝐚 𝐦𝐒𝐬𝐚𝐑𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 π…πšπ§πšπ―πšπ¨π³πšπ§πš 𝐬𝐲 𝐧𝐲 π“πšπ₯𝐞𝐦-𝐩𝐚𝐫𝐒𝐭𝐫𝐚 𝐧𝐲 𝐌𝐩𝐚𝐧𝐣𝐚𝐀𝐚 πˆπ’π’π€
πŸ“ Tonga nitsidika ny Mpanjaka ISSA ny Talem-paritra misahana ny Fanavaozana Diana, Atoa Andriamberomanga Merthon Simon, ny faran’ny herinandro lasa teo.
πŸ—£οΈ Nampahafantatra ny fisian’ny Fitaleavam-paritra misahana ny Fanavaozana sy ireo asa sahaniny eo anivon’ny Minisitera ny tenany mandritra izany, ary noresahany ihany koa ny firosoana amin’ny Fikaonandoha izay hakana ny hevitry ny vahoaka eny ifotony.
🀲 Hafaliana no nandraisan’ny Mpanjaka ny Talem-paritra misahana ny Fanavaozana, ka nanome tsodrano ho an-dRamatoa Minisitra misahana ny Fanavaozana sy ny Talem-paritra Diana izy, mba hahatontosany antsakany sy an-davany ny asa iantsorohany, ka ho tonga amin’ny tanjona iombonana: ny Fanavaozana tena izy an’i Madagasikara.