Ministère Chargé de la Refondation
Ministère Chargé de la Refondation
15 Jolay 2026Kaominina Ambanivohitra Antanimbary β Distrikan'i MaevatanΓ na, Faritra Betsiboka ππ’ππ¨π‘π² πππ¨ ππ¦π’π§'π§π² πππ¨π¦π’π§π’π§π ππ§πππ§π’π¦πππ«π² π§π² πππ¦π©ππ‘ππππ§πππ«ππ§π π§π² π π’π€ππ¨π§ππ§ππ¨π‘ππ¦-π©π’π«ππ§ππ§πNitohy ny Alarobia 15 Jolay 2026 ny fidinana ifotony notarihin'ny Talem-paritry ny Fanavaozana Betsiboka Atoa Ramaroso Moise sy ireo mpiara-miasa aminy tao amin'ny Kaominina Ambanivohitra Antanimbary.Nandritra izany dia nohazavaina ny tanjona sy ny maha-zava-dehibe ny Fikaonandoham-pirenena, ary nohamafisina fa sehatra hanangonana ny hevitry ny vahoaka eny ifotony izy io, mba hanorenana firenena miorina amin'ny fahamarinana, rariny, hitsiny ary mitandro ny fihavanana. Nampahafantarina ihany koa ny anjara andraikitry ny FFKM amin'ny fanatanterahana izany.Nanatrika ny fotoana ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny sy ny hery velona tao an-toerana, izay naneho ny fahavononany handray anjara amin'ny Fikaonandoham-pirenena. Notanterahina tao anatin'ny filaminana sy ny fanajana ny soatoavina Malagasy ny hetsika.# MCR #Fanavaozana# Fifanajana# Fiarahamientana# Fanolorantena