πŸ“… 𝐍𝐚𝐦𝐞𝐭𝐫𝐚𝐀𝐚 𝐒𝐫𝐞𝐨 πŸπšπ§πšπ¦π›π² π₯πžπ‘π’π›πž 𝐑𝐨 𝐚𝐧’𝐒 𝐌𝐚𝐑𝐚𝐣𝐚𝐧𝐠𝐚 𝐧𝐲 𝐏𝐫𝐚𝐒𝐦𝐒𝐧𝐒𝐬𝐒𝐭𝐫𝐚
✈️ Androany no niala teto Mahajanga ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, Atoa Mamitiana Rajaonarison.
πŸ—£οΈ Nambarany, mialoha ny nandraisany fiaramanidina, ny fanohizana ny fanamboarana ny lalΓ m-pirenena faha-4, izay mbola betsaka no ratsy amin’izao fotoana izao.
πŸ’‘ Hojerena akaiky ihany koa ny olana amin’ny resaka jiro, indrindra eo anivon’ny « Village touristiqueΒ Β», ao anatin’izao vanim-potoanan’ny fialan-tsasatra izao.
πŸ“‹ Feno dia feno ny fandaharam-potoanan’ny Praiminisitra tao Mahajanga. Ankoatran’ireo fanokanana zava-bita, dia nisongadina tamin’ity diany ity ny fanatrehana ny Fihaonambe ho an’ny Fanavaozana ny Fampianarana Teknika sy ny Fiofanana Arak’asa.