ππˆπ“πŽπ‡π˜ π“π€πŽ π€πŒππŽπƒπˆπ‘πˆπ€ππ€ 𝐍𝐘 πˆπ‘π€πŠπ€ ππ€π“π€πŽπ'𝐍𝐘 π…πˆπ“π€π‹π„π€π•π€ππ€ πŒπˆπ’π€π‡π€ππ€ 𝐍𝐘 πƒπˆππ€πŒ-ππˆπ“πŽππƒπ‘π€π-𝐓𝐄𝐍𝐀 π’π˜ 𝐍𝐘 π“π€ππƒπ‘πŽπ‡π€π’πˆπ'𝐍𝐘 π€π’π€πŒ-ππ€π‡πŽπ€πŠπ€

15 Septambra 2026 |Β  Kaominina Ambodiriana – Distrika Toamasina II

Nitohy tao amin’ny Kaominina Ambodiriana, Distrika Toamasina II, ny iraka notanterahin’ny Fitaleavana misahana ny Dinam-pitondran-tena sy ny Tandrohasin’ny Asam-bahoaka ao amin’ny Faritra Atsinanana.
Β 
Tanjona ny fanatanterahana ireo asa savaranonando, ny fanomanana ny fametrahana Ivotoerana fandraisana ny fitarainan’ny olom-pirenena (Guichet Physique de DolΓ©ances), ary ny hahafantarana ireo filΓ na sy fepetra ilaina amin’ny fametrahana izany eo anivon’ny Kaominina.
Β 
Ny delegasiona, notarihin’ny Tale misahana ny Dinam-pitondran-tena sy ny Tandrohasin’ny Asam-bahoaka, Atoa Jerry EDOUARD, dia noraisin’ny Ben’ny TanΓ nan’ny Kaominina Ambodiriana, Atoa RAYM Ialy Mohamed, niaraka tamin’ny Lefitra Voalohan’ny Ben’ny TanΓ na sy ny Lefitry ny Filohan’ny Filankevitra Kaominaly.
Β 
Β Nandritra ny fifanakalozana dia nisongadina ny maha-zava-dehibe ny fanamafisana ny fahaiza-manao sy ny fahaizan’ireo mpiasa hiandraikitra ny Ivotoerana fandraisana ny fitarainana, mba hahafahan’izy ireo mandray sy manaraka araka ny tokony ho izy ny fitarainan’ny olom-pirenena.
Β 
Β Nojerena manokana ihany koa ny lafiny famatsiana angovo azo avy amin’ny herin’ny masoandro, noho ny maha-kaominina ambanivohitra an’Ambodiriana sy ny mbola tsy fahatongavan’ny herinaratra ao amin’ny faritra, mba hanamorana ny fampandehanana ny biraon’ny Kaominina sy ny Ivotoerana kasaina hapetraka.