πŸ—“ 𝐀π₯πšπ«π¨π›π’πš πŸπŸ” π’πžπ©π­πšπ¦π›π«πš πŸπŸŽπŸπŸ”
πŸ“ 𝐓𝐨𝐛𝐒𝐦-𝐩𝐒𝐚𝐧𝐭𝐬𝐨𝐧𝐚𝐧𝐚 π€π¦π¨π«π¨π§πšπ§π€π¨π§πš
✊ πŒπˆπ‘πŽπ’πŽ 𝐍𝐘 π…π€ππ€π•π€πŽπ™π€ππ€ 𝐍𝐘 π…πˆπ“π€π“π„π‘π€ππ€
🟒Tsy teny fampanantenana fa asa hita maso : efa miroso ary tsy miverin-dalana intsony ny fanavaozana eo amin’ny tontolon’ny fitaterana.
πŸ›£ Manomboka androany, dia efa miasa tanteraka ety amin’ny Tobim-piantsonana Amoronankona avokoa ny fahatongavana sy ny fiaingΓ na rehetra ho an’ny :
βœ… Zotra Nasionaly sy Rejionaly RN7
βœ… Zotra RN2 (misy ampahany efa miasa ety ihany koa)
🎯Tanjona iray ihany : tobim-piantsonana mendrika, fandaminana madio, ary fitaterana milamina sy azo antoka ho an’ny vahoaka malagasy rehetra.
Dingana lehibe izao ho an’ny fampandrosoana !
πŸ‡²πŸ‡¬ Anjarantsika rehetra izao no miara-mientana, manaja ny fandaminana, ary miaro ireto fotodrafitrasa vaovao ireto.