๐Ÿ“… 29 Aogositra 2026
๐Ÿ“ Mahajanga
๐Ÿšข๐Œ๐€๐‡๐€๐‰๐€๐๐†๐€ | ๐’๐„๐‘๐€๐๐€๐-๐“๐’๐€๐Œ๐๐Ž ๐๐Ž๐‡๐€๐•๐€๐Ž๐™๐ˆ๐๐€
โžกTontosa ny 29 Aogositra 2026 tao Mahajanga ny fitokanana taminโ€™ny fomba ofisialy ny Seranan-tsambonโ€™i Mahajanga nohavaozina, lanonana notarihinโ€™ny Filohanโ€™ny Fanavaozana, Kolonely Michaรซl RANDRIANIRINA, niaraka taminโ€™ireo tomponโ€™andraikitra isan-tsokajiny sy ireo mpisehatra aminโ€™ny sehatry ny fitaterana an-dranomasina. Anisany tonga nanatrika ity fotoana ity ny ekipa avy amin’ny Fitaleavam-paritra Misahana ny Fanavaozana Boeny.
โžกIty fanavaozana ity dia natao hanatsarana ny fotodrafitrasa sy ny kalitaonโ€™ny asa omenโ€™ny seranan-tsambo, mba hahafahana mandray tsara kokoa ireo sambo sy entana ary hanamora ny fivezivezenโ€™ny olona sy ny vokatra.
๐Ÿ‘‰Anisanโ€™ny tanjona lehibe ihany koa ny fanamafisana ny fifandraisana ara-barotra eo aminโ€™i Mahajanga sy ireo faritra hafa eto Madagasikara ary any ivelany.
โœจ Dingana lehibe ho anโ€™ny fanatsarana ny sehatry ny fitaterana an-dranomasina sy ny fampiroboroboana ny varotra ary ny fizahantany ao aminโ€™ny Faritra Boeny izao Fanavaozana izao. Izy io dia antenaina hitondra tombontsoa ho anโ€™ny mponina, hampiroborobo ny asa sy ny fandraharahana, ary hanohana bebe kokoa ny fampandrosoana ara-toekarena.
# MCR # Fanavaozana
# Fifanajana
# Fiarahamientana
# Fanolorantena