MCR
Ministรจre Chargรฉ de la Refondation
MCR
Ministรจre Chargรฉ de la Refondation
๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐โ๐๐๐๐ : ๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐ ๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐ ๐๐๐๐๐๐-๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐๐ ๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐
๐ณ๐๐๐๐’๐ ๐ด๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐
[๐ญ๐๐๐-19 ๐๐๐๐๐๐๐๐๐ 2026]
Niverina an-tanindrazana androany, 19 Septambra 2026, ny Praiminisitra, Lehibenโny Governemanta, RAJAONARISON Mamitiana, taorianโny iraka ofisialy notanterahiny tany aminโny Repoblika Entim-bahoakanโi Sina.
Tonga nitsena azy teny aminโny Seranam-piaramanidina Iraisam-pirenena Ivato ny Ambasadaoronโny Repoblika Entim-bahoakanโi Sina miasa eto Madagasikara, ho mariky ny fifandraisana sy ny fiaraha-miasa eo aminโny firenena roa tonta.
Nifantoka taminโny fanamafisana ny fiaraha-miasa sy ny fitadiavana vahaolana azo ampiharina aminโny fampandrosoana anโi Madagasikara ny iraka, indrindra eo aminโny sehatry ny fambolena, ny teknolojia sy ny nomerika, ny fitaterana, ny fikarohana ara-tsiansa, ny meteorolojia, ny teknolojia zanabolana ary ny fiarovana ny tontolo iainana.
Tany Hunan, nitsidika ny Acadรฉmie des sciences agricoles du Hunan ny Praiminisitra, izay nahitana sonia fifanarahana. Tao aminโny Universitรฉ du Hunan kosa dia natomboka ny Centre dโรฉtude de Madagascar, ary nisy ny fihaonana taminโireo mpianatra Malagasy.
Nitsidika ny toeram-pivarotana Lianhua ihany koa ny Lehibenโny Governemanta, nahafahany nijery mivantana ny fisianโny henanโondry avy eto Madagasikara eo aminโny tsena sinoa.
Tao Zhuzhou, nandray anjara sy nandaha-teny taminโny Fihaonambe Iraisam-pirenena faha-5 momba ny fampiasana ny rafitra zanabolana BeiDou ny Praiminisitra. Nisy ihany koa ny fifanakalozana taminโireo mpandraharaha sy ny fitsidihana orinasa ary ivon-toerana misahana ny teknolojia, ny fitaterana an-dalamby, ny zanabolana ary ny meteorolojia.
Tao Shibadong, nijery akaiky ireo traikefa momba ny fampandrosoana eny ifotony sy ny fampihenana ny fahantrana ny Praiminisitra. Tao Shenzhen kosa, nifantoka taminโny sehatry ny teknolojia nomerika sy ny tontolo iainana ny fitsidihana, anisanโizany ny Sangfor Technologies, Huawei Technologies ary ny Centre international des mangroves.
Ity iraka ity dia natao hanamafisana ny fiaraha-miasa sy hitadiavana fahaiza-manao, teknolojia ary traikefa azo ampifanarahana aminโny filร nโi Madagasikara, ao anatinโny fanajana hatrany ny laharam-pahamehana sy ny tombontsoam-pirenena Malagasy.
Rehefa tafaverina an-tanindrazana, dia mitohy ny fanaraha-maso ireo fifanakalozana sy fiaraha-miasa nodinihina nandritra ny iraka, mba hahafahanโizy ireo mivadika ho vokatra azo tsapain-tanana ho anโny fampandrosoana sy ny fiainanโny Malagasy.
๐ก๐ ๐ฆ๐ฒ๐ฟ๐ฎ๐๐ฒ๐ฟ๐ฎ