๐‘ณ๐’‚๐’‘๐’‚๐’โ€™๐’Š ๐‘ด๐’‚๐’‰๐’‚๐’›๐’๐’‚๐’“๐’Š๐’—๐’
[๐‘ญ๐’‚๐’‰๐’‚-30 ๐’”๐’†๐’‘๐’•๐’‚๐’Ž๐’ƒ๐’“๐’‚ 2026]
Nandray anโ€™Andriamatoa JI Ping, Ambasadaoronโ€™ny Repoblika Entim-bahoakanโ€™i Sina eto Madagasikara, ny Praiminisitra, Lehibenโ€™ny Governemanta, androany maraina, tao aminโ€™ny Lapanโ€™i Mahazoarivo. Fitsidihana fanaovam-beloma izao, noho ny fahataperanโ€™ny iraka diplaomatika notanterahinโ€™ny Ambasadaoro teto Madagasikara.
Nifantoka taminโ€™ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo aminโ€™i Madagasikara sy Sina ny dinika, indrindra eo aminโ€™ny sehatry ny fambolena, angovo, fotodrafitrasa, varotra, fizahantany ary fiarovana.
Anisanโ€™ireo tetikasa lehibe noresahina ny dingana faharoa aminโ€™ny tetikasa ยซ Riz hybride ยป, miaraka aminโ€™ny fanohanana mitentina 20 tapitrisa Yuan, ho fanohanana ny ezaka ataonโ€™i Madagasikara aminโ€™ny fanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Voaresaka ihany koa ireo tetikasa momba ny famokarana herinaratra, fanatsarana ny lalana sy fotodrafitrasa, ary ny fanarenana fotodrafitrasa ao Toamasina.
Nasongadina nandritra ny fihaonana ihany koa ny fitomboanโ€™ny fifanakalozana ara-barotra eo aminโ€™ny firenena roa tonta sy ny fahafahanโ€™ireo vokatra malagasy miditra bebe kokoa aminโ€™ny tsena sinoa, indrindra ireo vokatra ara-pambolena sy fiompiana. Eo aminโ€™ny fizahantany kosa dia nodinihina ny mety hamerenana ny sidina mivantana mampitohy anโ€™i Sina sy Madagasikara, ho fanamafisana ny fivezivezenโ€™ny olona sy ny fifanakalozana ara-toekarena.
Nankasitraka ny vokatra azo tsapain-tanana avy aminโ€™ny fiaraha-miasa aminโ€™i Sina ny Praiminisitra, indrindra ireo tetikasa mifandray mivantana aminโ€™ny filร nโ€™ny mponina. Nohamafisiny fa hanohy ny ezaka i Madagasikara aminโ€™ny fanatsarana ny kalitaonโ€™ny vokatra fanondrana, fanamorana ny fampiasam-bola ary fanatsarana ny tontolonโ€™ny fandraharahana.
Nifanaraka ny roa tonta fa hotohizana sy hamafisina hatrany ny fiaraha-miasa mba hahafahanโ€™ireo tetikasa iarahana manatanteraka mitondra vokatra mivaingana sy mifanaraka aminโ€™ireo laharam-pahamehanโ€™ny fampandrosoana eto Madagasikara.
๐—ก๐˜† ๐—ฆ๐—ฒ๐—ฟ๐—ฎ๐˜€๐—ฒ๐—ฟ๐—ฎ