πŒπ€πƒπ€π†π€π’πˆπŠπ€π‘π€ 𝐍𝐎 πŒπˆπ“π€π‘πˆπŠπ€ 𝐍𝐘 π„π’π€π€πŒπ‹π† π‡π€π“π‘π€πŒπˆπβ€™ππ˜ π€πŽπ†πŽπ’πˆπ“π‘π€ πŸπŸŽπŸπŸ•

πΏπ‘Žπ‘π‘Žπ‘›’𝑖 π‘€π‘Žβ„Žπ‘Žπ‘§π‘œπ‘Žπ‘Ÿπ‘–π‘£π‘œ
[𝑭𝒂𝒉𝒂-06 π’”π’†π’‘π’•π’‚π’Žπ’ƒπ’“π’‚ 2026]
πŸ“ Kigali, Rwanda | 31 Aogositra – 5 Septambra 2026
Nandray ny Fiadidian’ny ESAAMLG i Madagasikara, taorian’ny fifandimbiasan’ny Fiadidiana teo amin’i Rwanda sy i Madagasikara, nandritra ireo fivoriana ara-potoana nataon’ny Eastern and Southern Africa Anti-Money Laundering Group (ESAAMLG) tany Kigali, Rwanda.
Notarihin’ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, Atoa Mamitiana RAJAONARISON, ny delegasiona Malagasy nandritra ny fivoriana faha-52-n’ny Task Force of Senior Officials, ny Filankevitry ny Minisitra faha-26 ary ny 9Γ¨me Dialogue Public-PrivΓ©.
✨ Mandritra ny Septambra 2026 ka hatramin’ny Aogositra 2027, dia nametraka laharam-pahamehana i Madagasikara.
πŸ“·: ESAAMLG