MCR
Ministère Chargé de la Refondation
MCR
Ministère Chargé de la Refondation
π³ππππ’π π΄ππππππππππ
[ππππ- 29 septambra 2026]
Noraisinβny Praiminisitra, Lehibenβny Governemanta, RAJAONARISON Mamitiana androany teto aminβny Lapanβi Mahazoarivo, Andriamatoa Fily Sissoko, Tale misahana anβi Mozambika, Madagasikara, Maorisy, Kaomoro ary Seychelles eo anivonβny Banky Iraisam-pirenena, izay manatanteraka fitsidihana eto Madagasikara aminβity herinandro ity.
Nifantoka taminβny fijerena ny fivoaranβny fiaraha-miasa eo aminβi Madagasikara sy ny Banky Iraisam-pirenena ny dinika, ary indrindra ny fomba hanamafisana izany fiaraha-miombonβantoka izany ho fanohanana ireo laharam-pahamehanβny Fanjakana eo aminβny fampandrosoana.
Nohamafisinβny Banky Iraisam-pirenena nandritra izany ny fahavononany hanohy sy hanohana ny ezaka fampandrosoana ataonβi Madagasikara, indrindra aminβireo sehatra misy fiantraikany mivantana aminβny fiainanβny mponina sy ny toekarem-pirenena.
Anisanβireo sehatra noresahina manokana ny rano, ny angovo, ny fampandrosoana ny sehatra tsy miankina, ny fambolena, ary ny fanohanana ireo hetsika ahafahana mamorona asa sy fahafahana ara-toekarena ho anβny Malagasy.
Ity fihaonana ity dia manamafy ny finiavana hanohy ny fifampidinihana sy ny fiaraha-miasa eo aminβny Governemanta Malagasy sy ny Banky Iraisam-pirenena, mba hahafahana mametraka vahaolana maharitra sy mahomby manoloana ireo filΓ na laharampahamehana aminβny fampandrosoana anβi Madagasikara.
ππ² πππ«ππ¬ππ«π