MCR
Ministรจre Chargรฉ de la Refondation
MCR
Ministรจre Chargรฉ de la Refondation
๐๐๐ก๐๐ญ๐๐ง๐ฒ ๐ง๐ข๐๐๐ง๐๐ข๐ฆ๐๐ข๐๐ฌ๐๐ง๐ ๐ง๐๐ง๐๐ซ๐ข๐ญ๐ซ๐ ๐ง๐ฒ ๐
๐๐ง๐จ๐ฆ๐ฉ๐จ๐๐ฆ-๐ฉ๐ข๐ฏ๐๐ฏ๐๐ก๐๐ง๐ ๐ง๐จ๐ญ๐๐ซ๐ข๐ก๐ข๐ง’๐ง๐ฒ ๐
๐ข๐ฅ๐จ๐ก๐๐ฆ-๐ฉ๐ข๐๐ง๐ ๐จ๐ง๐๐ง๐ ๐
๐
๐๐
โNy tombontsoanโny Firenena no tokony ho fototry ny ezaka rehetra ataontsika. Mila manana vina iombonana ho anโny ho avinโi Madagasikara isika, vina izay mitaky fiovan-toetra sy fahavononana handray andraikitra. Ny tanjona dia ny hanorina Fanjakana matanjaka, mijoro aminโny fahamarinana, ny fahendrena ary ny fahitsiana. Ny Fanavaozana dia natao hampiray antsika, hampifampihaino, hanarina izay simba ary hanorina izay vaovaoโ
โNy Governemanta dia manome ny fanohanana feno aminโny fanatanterahana ny Fikaonandoham-pirenena. Satria ny tanjona dia tsy ny tombontsoanโolona na vondrona iray, fa ny fanorenana Madagasikara vaovao, matanjaka ary maharitra. Andao ร ry isika hifanakalo hevitra. Andao hifampihaino. Andao hifandray tanana. Andao hiara-hanavao anโi Madagasikara. Ny tombontsoa ho anโ i Madagasikara irery ihany no tokony hampiray antsika rehetraโ
ยซ Efa ela no niandrasana ity Fikaonandoham-pirenena ity. Fikaonandoha izay tsy tokony ho anโny olona vitsivitsy ihany, fa tokony ho sehatra ahafahanโny Malagasy rehetra maneho ny heviny, ny hetahetany ary ny vinany ho anโny firenena. Samy manana ny fomba fijeriny isika, samy manana ny hetahetany, ary samy manana ny fikasany. Saingy ny zava-dehibe dia ny hahafahantsika mampiray ireo fahasamihafana ireo ho aminโny tombontsoanโi Madagasikara
ยซ Fotoana izao hanokafana pejy vaovao. Pejy iray no avadika, ary boky vaovao no soratana, boky iray izay tokony haneho ny finiavanโny Malagasy hiara-hanangana firenena vaovao, miray hina, matanjaka ary mijoro aminโny fahamarinana. Ny FFKM dia manentana ny Fiangonana sy ny olom-pirenena rehetra mba samy handray ny anjara andraikiny aminโizany fanavaozana izanyโ.