π‹π€ππŽππ€ππ€ π…π€πŒπ€π‘π€ππ€ππ€ π“π€πŒπˆπβ€™ππ˜ π…πŽπŒππ€ πŽπ…πˆπ’πˆπ€π‹π˜ 𝐍𝐘 π…πˆπŠπ€πŽππ€ππƒπŽπ‡π€πβ€™ππ˜ π“π€π…πˆπŠπ€ πŒπ€π‹π€π†π€π’π˜

πŸ‡²πŸ‡¬ πŸπŸ” π¬πžπ©π­πšπ¦π›π«πš πŸπŸŽπŸπŸ” | 𝐌𝐚𝐦𝐨𝐫𝐲 𝐈𝐯𝐚𝐭𝐨
πŸŽ–οΈπŸ‡²πŸ‡¬Nifarana tamin’ny fomba ofisialy androany teny Ivato ny Fikaonandohan’ny Tafika Malagasy, izay natao hanombanana ny rafi-piarovana ankehitriny, handrenesana ny hetahetan’ny Foloalindahy ary hametrahana ireo fototra ho amin’ny fanatsarana ny fahombiazan’ny Tafika, ny fanamafisana ny fiandrianam-pirenena ary ny fandriam-pahalemana maharitra.
πŸ”Ή Nanomboka tamin’ny Oktobra 2025 ka hatramin’ny Febroary 2026 ny dingana fanomanana sy ny fivoriana, narahin’ny fikaonandoha isaky ny rafitra, ny fandravonana.Ny fandinihana isan’ambaratonga kosa dia natao tamin’ny Jolay–Aogositra 2026, ka niafara tamin’ny fandrafetana ny Boky Fehinkevitry ny Foloalindahy ny volana Septambra. Komisiona 5 no niandraikitra ny fandrindrana izany.
πŸ“˜ Ahitana raki-kevitra nasionaly sy soso-kevitra voarindra momba ny rafitra, ny fitaovana ary ny LalΓ na momba ny Fandaharan’asa ny Tafika Malagasy ny Boky Fehinkevitra. Fanapahan-kevitra 27 no nivoaka, ka anisan’ny laharam-pahamehana ny fiandrianam-pirenena sy ny tsy fiandaniana ara-politika.
🀝 Nanome voninahitra ny lanonana ny Filohan’ny Fanavaozana, Kolonely RANDRIANIRINA MichaΓ«l, ireo Mpanolotsaina Avon’ny Fanavaozana, ireo mpikambana eo anivon’ny Governemanta notarihin’ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, ny Minisitry ny Foloalindahy, ny Minisitra Misahana ny Fanavaozana Me Hanitra Razafimanantsoa.
πŸ“– Natolotra tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny Filohan’ny Fanavaozana moa ny fehinkevitry ny Fikaonandohan’ny Foloalindahy.
πŸ•ŠοΈ Notsindrian’ny Filohan’ny Fanavaozana fa ny Fanavaozana dia miorim-paka ho an’ny Vahoaka, ary laharam-pahamehana ny famerenana amin’ny laoniny ny fandriam-pahalemana sy ny ady amin’ny kolikoly.
Ny Akademia hoy izy dia tsy mpanongam-panjakana fa olona nokolokoloina hitia tanindrazana sy hiaro ny vahoaka.