MCR
Ministรจre Chargรฉ de la Refondation
MCR
Ministรจre Chargรฉ de la Refondation
๐๐๐๐๐๐ ๐ ๐๐๐-๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐โ๐๐ ๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐ : ๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐ ๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐ ๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐
๐ณ๐๐๐๐โ๐ ๐ด๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐
16 aogositra 2026
Tonga nanome voninahitra sy nanotrona taminโny fomba ofisialy ny fanokafana ny Jobily faha-100 taonanโny Toby Lehibe Manolotrony ny Praiminisitra, Lehibenโny Governemanta, Mamitiana Rajaonarison.
Nandritra ny fandraisam-pitenenany dia nasongadinโny Praiminisitra fa mifameno ny Fiangonana sy ny Fanjakana eo aminโny fanabeazana ny olom-pirenena, ny fitandroana ny filaminana ary ny fampandrosoana ny firenena. Ny fiaraha-mientanโny roa tonta, ao anatinโny fifampihainoana sy ny fifanajana, hoy izy, dia anisanโny fototra iorenanโny fiarahamonina mirindra sy ny fampandrosoana maharitra.
Noderainโny Praiminisitra ihany koa ireo soatoavina nentinโny Toby Lehibe Manolotrony hatrizay, indrindra ny fanetren-tena, ny finoana ary ny vavaka fangataham-pitahiana ho anโny firenena, izay soatoavina mendrika tohizana sy halain-tahaka.
Izao fanotronana ny fotoam-pivavahana isan-taona sady fanokafana ny taom-pankalazana ny faha-100 taona izao dia mifanaraka aminโny antso nataonโny Filohanโny Fanavaozana, RANDRIANIRINA Michael, ho aminโny fiaraha-mientanโny Fiangonana sy ireo hery velona rehetra eo aminโny firenena.
Notsindrianโny Praiminisitra fa ny fampiraisana ny Malagasy ao anatinโny fifanajana, na eo aza ny fahasamihafana, no iray aminโireo antoka lehibe ahafahana manatanteraka ny fanavaozana ifotony sy manorina firenena milamina, miray hina ary mandroso.
*Fiaraha-mientanโny Fiangonana sy ny Fanjakana : mifameno aminโny fanabeazana, ny fitandroana ny filaminana ary ny fampandrosoana ny firenena.
*Fitaizam-panahy : fototra hanovana toe-tsaina sy hialana aminโny fahazaran-dratsy.
Soatoavinโny Toby : fanetren-tena, finoana ary vavaka ho anโny firenena.
*Fampiraisana : fampivondronana ny Malagasy ao anatinโny fifanajana sy ny fahasamihafana, ho aminโny fanavaozana syny fandrosoana.
๐ก๐ ๐ฆ๐ฒ๐ฟ๐ฎ๐๐ฒ๐ฟ๐ฎ