Notanterahina ny 31 Jolay 2026 ny fitokanana tamin’ny fomba ofisialy ny lalana Ambohimahitsy โ Ambatobe.
Nandritra izany dia nisy ny tsangambato fahatsiarovana (stรจle) ho mariky ny fahavitan’ny tetikasa.
Tonga nitokana izany tetikasa izany sy nanome voninahitra ny fotoana ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Kolonely Randrianirina Michaรซl, notronin’ireo Mpanolotsaina Avon’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta niaraka tamin’ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta.
Anisan’ny nanatrika izany ny Minisitra Misahana ny Fanavaozana, Maรฎtre Hanitra Razafimanantsoa.
Nandritra ny lahateniny dia nambaran’ny Filohan’ny Fanavaozana fa isan’ireo vaindohan-draharahan’ny Fitondrana ny fanarenana sy fananganana ireo fotodrafitrasa, indrindra ny lalana, izay miantoka ny fandriampahalemana, manohana ny seha-pihariana ary mampiroborobo ny toe-karena.
Natao hamahana ny olan’ny fitohanan’ny fifamoivoizana eto Antananarivo ny fisian’ity lalana ity.
Nambaran’ny Filohan’ny Fanavaozana ihany koa fa ny tetikasa dia hananganana tambajotram-pifamoivoizana hampifandray ny Rocade RNS 62 sy RNS 65, ary efa voalahatra ny fanohizana ny asa amin’ny fanitarana ny ampahan-dalana mampifandray an’ Ambohibe โ Somacou Ilafy.