πŸ“ Faritra SAVA
🀝 π…π’π€πšπ¨π§πšπ§ππ¨π‘πšπ¦-𝐩𝐚𝐫𝐒𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 π…π’π«πšπ’π¬πšπ¦π¨π§π’π¦-𝐩𝐒𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚: 𝐑𝐨 𝐭𝐚𝐧𝐭𝐞𝐫𝐚𝐑𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 πŸπŸ– 𝐑𝐚𝐭𝐫𝐚𝐦𝐒𝐧’𝐧𝐲 𝟐𝟎 π€π¨π π¨π¬π’π­π«πš πŸπŸŽπŸπŸ”
πŸ“ Ao anatin’ny fanomanana ny Fikaonandoham-paritry ny Firaisamonim-pirenena (FMP) ao amin’ny Faritra SAVA, ho tanterahana ny 18, 19 ary 20 Aogositra 2026, dia nihaona tao amin’ny biraon’ny Fitaleavam-paritry ny Fanavaozana SAVA, tao Sambava :
πŸ‘₯ Talem-paritra misahana ny Fanavaozana SAVA, Randrianasolo Eliahevitra
β€’ Mpandrindram-paritry ny FMP SAVA
β€’ solontenan’ny Firaisamonim-pirenena sy ny HINA
🀝 Tafiditra ao anatin’ny ezaka hanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny Fitaleavam-paritry ny Fanavaozana sy ny Firaisamonim-pirenena ity fihaonana ity.
πŸ“„ Natolotra ny taratasy fanomezam-pahefana ho an’ny Mpandrindram-paritra, ary nozaraina ny fanasana ho amin’ny Fikaonandoham-paritra.
πŸ’¬ Nifantoka tamin’ny fandaminana sy ny fandraisan’anjaran’ireo mpisehatra ny fifanakalozan-kevitra, indrindra ny fomba hahafahan’ny Firaisamonim-pirenena mandray anjara mavitrika amin’ity dingana ity.
πŸ“Š FMP 75 no efa namaly ny antso avo :
πŸ”Ή Sambava: 20
πŸ”Ή Antalaha: 14
πŸ”Ή VohΓ©mar: 15
πŸ”Ή Andapa: 26
πŸ’‘ Nivoitra fa mila fanazavana ireo hevi-diso ateraky ny tsy fahalalana, indrindra momba ny Federalisma, mba hahafahan’ny tsirairay mandray anjara amim-pahalalana amin’ny adihevitra.