ANDROY – 22 SEPTAMBRA 2026
π…π’π‘πšπ¨π§πšπ§’𝐒𝐫𝐞𝐨 𝐭𝐨𝐦𝐩𝐨𝐧𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐒𝐀𝐒𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐟𝐒𝐭𝐚𝐧𝐭𝐚𝐧𝐚𝐦-𝐛𝐨π₯𝐚 𝐬𝐲 𝐒𝐫𝐞𝐨 π“πšπ₯𝐞𝐦-𝐩𝐚𝐫𝐒𝐭𝐫𝐚 𝐚𝐫𝐲 π‹πžπ‘π’π›πžπ§β€™π§π² π’πšπ¦π©πšπ§ππ«πšπ‘πšπ«πšπ‘πšπ¦-𝐩𝐚𝐧𝐣𝐚𝐀𝐚𝐧𝐚
Nisy ny fihaonan’ireo Talem-paritry sy Lehiben’ny Sampandraharaham-panjakana teto Androy, niarahana tamin’ireo tomponandraikitry ny fitantanam-bola, ka anisan’izany ireo mpitantana ara-bola ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Fanavaozana.
Nisongadina fa ambany ny tahan’ny fampiasana ny tetibolam-panjakana, ary mbola misy ihany koa ny olana eo amin’ny fitantanana ny fananam-panjakana.
πŸ’‘ Nanolotra soso-kevitra ny Talem-paritry ny Fanavaozana mba hamantarana ireo dingana mampiadana ny fankatoavana sy famoahana ny vola, hahafahana mitady vahaolana.