π…π’π‘πšπ¨π§πšπ§πš 𝐭𝐞𝐨 𝐚𝐦𝐒𝐧'𝐧𝐲 π…π…πŠπŒ 𝐬𝐲 𝐧𝐲 π…π’π­πšπ₯𝐞𝐚𝐯𝐚𝐦-𝐩𝐚𝐫𝐒𝐭𝐫𝐲 𝐦𝐒𝐬𝐚𝐑𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 π…πšπ§πšπ―πšπ¨π³πšπ§πš πƒπˆπ€ππ€

Notanterahina ny 16 Jolay 2026 ny fihaonana teo amin’ny Filohan’ny FFKM Faritra DIANA sy ny Talem-paritry misahana ny Fanavaozana (DRR DIANA) Atoa Andriamberomanga Merthon Simon, niresahana ny fandrindrana ny fanentanana ifotony mialoha ny hanombohan’ny Fikaonandoham-pirenena.
πŸ‘‰Nifampizara ny fomba fiasa sy ny dingana arahina ny roa tonta mba hampahafantarana ny vahoaka fa ny FFKM no hitarika ny Fikaonandoham-pirenena eny ifotony ary ny Minisitera no hanampy tosika ar-teknika sy ara-pitaovana.
πŸ“πŸ“₯Naneho ny fanohanany sy nanome tso-drano ny Fitaleavam-paritra Misahana ny Fanavaozana DIANA ny Ray aman-dReny am-panahy. Nohamafisin’izy ireo ihany koa fa miandry ny toromarika ofisialy avy amin’ny FFKM Foibe izy ireo, sady vonona hanatanteraka izany manomboka eny anivon’ny Fokontany,Kaominina,Distrika ary Faritra.πŸ‡²πŸ‡¬πŸ‡²πŸ‡¬
#MCR#Fanavaozana