Talem-paritra misahana ny Fanavaozana telo โ Razafindrakoto Tojo (Boeny), Ramaroson Moรฏse (Betsiboka) sy Randriamampionona Roger (Melaky) โ no nihaona androany tamin-dRamatoa Minisitra misahana ny Fanavaozana, Maรฎtre Hanitra Razafimanantsoa, tao amin’ny Biraon’ny Fitaleavam-paritra Mahajanga.
Fotoana iray nifanakalozan-kevitra momba ireo laharam-pahamehana amin’ny fanatanterahana ny asa. Nahafahan-dRamatoa Minisitra nihaino ireto tompon’andraikitra, nahalalany ny zava-misy iainan’ny ekipa eny ifotony, ary nandraisany ny hetahetan’izy ireo.
Antoky ny fahombiazan’ny asa sy ny vinan’ny Fanavaozana ny fiaraha-miasa akaiky eo amin’ny Minisitera Foibe sy ny Fitaleavam-paritra. Ilaina, araka izany, ny fifampizarana vaovao tsy tapaka sy ny fandraisana andraikitra haingana ary mahomby mifanaraka amin’ireo vina sy toromarika napetraka.