Ministère Chargé de la Refondation
Ministère Chargé de la Refondation
15 Jolay 2026Distrikan'i Vondrozo β Faritra Atsimo Atsinanana π π’π‘ππ¨π§ππ§π π§π’ππ«ππ‘ππ§'π§π² π π’πππ₯πππ―ππ¦-π©ππ«π’ππ«π π¦π’π¬ππ‘ππ§π π§π² π ππ§ππ―ππ¨π³ππ§π π¬π² π§π² π π ππNotanterahina ny 15 Jolay 2026 ny fihaonana teo amin'ny Talem-paritra misahana ny Fanavaozana Atsimo Atsinanana Atoa Iotokarozy sy ireo mpikambana FFKM eo anivon'ny Distrikan'i Vondrozo. Tanjona ny handrindrana sy hanamafisana ny fiarahamiasa mba hampandeha amim-pilaminana sy araka ny tokony ho izy ny fanatanterahana ny Fikaonandoham-pirenena.Nandritra izany dia nohazavaina ireo asa efa vita, ny paikady entina manatanteraka ny dingana manaraka, ary ireo asa mbola miandry mba hahafahana mampandroso ny faritra miainga avy eny ifotony. Nisy ny fifanakalozan-kevitra nahitana fanontaniana sy soso-kevitra maro, izay mikendry ny hanatsara sy hanafaingana ny fanatanterahana ny asa.# MCR# Fifanajana#Fiarahamientana# Fanolorantena