Nisy ny fihaonana taminβny FCRTM ho fanomanana ny fanatanterahana ny fakan-kevitra aminβireo Raiamandreny ara-drazana (RAR) ao aminβny Distrikanβi Mananjary, izay nataon’ny Talem-paritra Misahana ny Fanavaozana Atoa Fridolin Caleb.
Ity dingana ity dia tafiditra ao anatinβny fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena ara-drazana izay hotanterahina ao Ihosy, ka kendrena ny hisianβny fandrindrana sy fiomanana mirindra aminβireo mpisehatra rehetra.