Fidinana ifotony Boeny

Alatsinainy 17Aogositra 2026

Faritra Boeny – Distrika Mahajanga II-Kaominina ambanivohitra Belobaka-Fokontany Belobaka sy Amparemahitsy

Nitsidika ny Ben’ny Tanàna ao amin’ny Kaominina ambanivohitra Belobaka ny Talem-paritra misahana ny Fanavaozana, ka nanazava ny iraka sy andraikitry ny Minisiteran’ny Fanavaozana, ary koa ny fizotry ny Fikaonandoham-pirenena tarihin’ny FFKM.

Taorian’izany, dia nitohy tamin’ny fidinana ifotony tany amin’ny Fokontany Belobaka sy Amparemahitsy ny fitsidihana, ka nihaonana tamin’ireo Chef Fokontany sy ny lefiny.

Naneho fahavononana ny tomponandraikitra isan-tsokajiny, indrindra ireo ifotony, amin’ny fanatanterahana amim-pahavitrihana ny andraikitra sy ny adidy iantsorohan’ny Fanjakana, ho fampandrosoana sy fanamafisana ny fiaraha-mientana eny ifotony.