24 Jolay 2026
πŸ“ Parvis Analakely
β€œπ…πš 𝐒𝐬𝐒𝐀𝐚 𝐭𝐬𝐲 𝐦𝐒𝐭𝐨π₯𝐨𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐒𝐧’𝐧𝐲 𝐧𝐨𝐟𝐨 𝐚𝐦𝐚𝐧-ππ«πšΜ€, 𝐟𝐚 𝐚𝐦𝐒𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐑𝐲 𝐫𝐚𝐭𝐬𝐲 𝐞𝐧𝐲 𝐚𝐦𝐒𝐧’𝐧𝐲 π«π’π―π¨π­π«πšβ€.
π…πšπ§π πšπ­πšπ‘πšπ¦-𝐩𝐒𝐭𝐚𝐑𝐒𝐚𝐧𝐚 𝐑𝐨 𝐚𝐧’𝐧𝐲 π…π’π«πžπ§πžπ§πš β€” 𝐧𝐨𝐭𝐚𝐫𝐒𝐑𝐒𝐧’𝐧𝐲 π…π…πŠπŒ
Ny fakana an-keriny sy famonoana ankizy ary tanora tamin’ny fomba feno habibiana no nahatonga ity fiombonam-po ity.
Ny hafatra lehibe :
✊ Ireny herisetra mahatsiravina ireny dia herin’ny ratsy sy ny fanahy tsy hita maso, ka mila valiana amin’ny vavaka. Tsy afaka handresy ny ratsy raha tsy misy ny fiovam-po eo amin’ny tsirairay.
πŸ‡²πŸ‡¬ Nantsoina ny Malagasy rehetra :
πŸ™ π‡πšπ§π¨π‘π² 𝐧𝐲 𝐯𝐚𝐯𝐚𝐀𝐚 𝐑𝐨 𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐒𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚
πŸ™β€β™‚οΈπ‡π’πšπ«π¨ 𝐧𝐲 𝐚𝐧𝐀𝐒𝐳𝐲 𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐭𝐚𝐧𝐨𝐫𝐚
πŸ’ͺ π‡π’π­π¬πšπ§π πšπ§πš 𝐑𝐨 𝐒𝐫𝐚𝐲 𝐚𝐦𝐒𝐧’𝐒𝐭𝐲 𝐚𝐝𝐲 𝐚𝐫𝐚-𝐩𝐚𝐧𝐚𝐑𝐲 𝐒𝐭𝐲
Nitsapa alahelo ireo fianakaviana niaram-boina ny fitondram-panjakana notarihin’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika nandritra izany fotoana izany.
πŸ‘₯ Nanatrika ny fotoana ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny Kolonely MichaΓ«l Randrianirina mivady, ny ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta Mamitiana Rajaonarison mivady , sy ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta – anisan’izany ny Minisitra misahana ny Fanavaozana, Me Hanitra Razafimanantsoa, ary natrehin’ireo tompon’andraikitra ambony maro.
Araho anaty rohy ny antsipiriany : https://mcr.gov.mg/fangataham-pitahiana-ho-an-ny…/