📅 04 Septambra 2026
📍 Antalaha
🔴𝐅𝐚𝐧𝐤𝐚𝐥𝐚𝐳𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐀𝐧𝐝𝐫𝐨 𝐈𝐫𝐚𝐢𝐬𝐚𝐦-𝐩𝐢𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚 𝐡𝐨 𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐓𝐚𝐧𝐨𝐫𝐚
➡Nandritra ny dian’ny Talem-paritra Misahana ny Fanavaozana SAVA Atoa Randrianasolo Eliahevitra tany Antalaha dia nanatanteraka fitsidihana ara-pomba fanajana ny Lehiben’ny Distrikan’Antalaha izy , ary nandray anjara fitenenana tamin’ny lanonana fankalazana ny Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Tanora.
➡Nohamafisina tamin’izany ny fiaraha-miasa amin’ireo tompon’andraikitra sy mpiara-miombon’antoka ao an-toerana amin’ny fanatanterahana ny Fanavaozana.
➡Nandritra ny lanonana dia navoitra ihany koa ny maha-zava-dehibe ny fahavononan’ny tanora handray andraikitra, ny fitiavan-tanindrazana, ny fandraisana andraikitra, ny fanajana ny adidy maha-olom-pirenena ary ny tamberin’andraikitra eo amin’ny fiaraha-monina.
# MCR # Fanavaozana
# Fifanajana
# Fiarahamientana
# Fanolorantena