Nanentana ny mponina tao amin’ny Fokontany Betsimeda ny ekipan’ny Fitaleavam-paritra misahana ny Fanavaozana ao Androy.
Notsindriana fa manana zo hiteny malalaka ny tsirairay mandritra ny Fikaonandoham-pirenena.
Nanome toky ny Talem-paritra, Atoa Miha Jaonasitera, fa raha misy olona manampim-bava ny vahoaka, dia hatolotra any amin’ny tompon’andraikitry ny filaminana.