π…πšπ§πžπ§π­πšπ§πšπ§πš π¦π¨π¦π›πš 𝐧𝐲 π…πšπ€πšπ§-𝐀𝐞𝐯𝐒𝐭𝐫𝐚 𝐞𝐧𝐲 𝐈𝐟𝐨𝐭𝐨𝐧𝐲

πŸ—“οΈ 04 Aogositra 2026πŸ“ Betampona – Distrikan’i Fenoarivo Atsinanana

Β 
🀝 Notanterahina ny 04 Aogositra 2026 ny fanentanana ireo tompon’andraikitry ny Fokontany ao amin’ny Kaominina Betampona, notarihin-dRamatoa Talem-paritra misahana ny Fanavaozana Analanjirofo Rtoa Andrianandraina Aldine sy ny ekipany.
πŸ—£οΈ Nohazavaina tamin’izany ny tanjon’ny Fakan-kevitra eny ifotony, izay misokatra ho an’ny olompirenena rehetra tsy an-kanavaka, ary nantitranterina ny maha-zava-dehibe ny fanavaozana ny toe-tsaina sy ny fandraisan’anjaran’ny tsirairay.
βœ… Naneho fahavononana hiara-hiasa sy hampita ny hafatra any amin’ny vahoaka ireo tompon’andraikitra eny ifotony, ary nanamafy ny Fitaleavam-paritra fa hanohy ny fanentanana eny anivon’ny Fokonolona.