21 Septambra 2026 | Kaominina Alatsinainikely – Faritra Itasy
𝐅𝐚𝐧𝐞𝐧𝐭𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐨𝐦𝐛𝐚 𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐧𝐚𝐯𝐚𝐨𝐳𝐚𝐧𝐚 – 𝐀𝐥𝐚𝐭𝐬𝐢𝐧𝐚𝐢𝐧𝐢𝐤𝐞𝐥𝐲
🇲🇬 Ao anatin’ny fitetezana ireo kaominina ao amin’ny Faritra Itasy, dia nanatanteraka fanentanana sy dinidinika momba ny Fanavaozana ny Fitaleavam-paritra misahana ny Fanavaozana Itasy, izay natao tao amin’ny Kaominina Alatsinainikely.
🗣️ Nifantoka tamin’ny maha-zava-dehibe ny fandraisan’anjaran’ny vahoaka amin’ny Fikaonandoham-pirenena, izay hotarihin’ny FFKM, ny fanentanana. Nohamafisina fa eny ifotony no anombohana izany fandraisana anjara izany, ka manana anjara toerana lehibe amin’ny fampahafantarana sy fanentanana ny Sefom-pokontany.
🌱 Notsindriana ihany koa fa miainga amin’ny tsirairay ny Fanavaozana, indrindra amin’ny alalan’ny fanavaozana ny toe-tsaina sy ny fomba fisainana. Anisan’ny andraikitry ny Minisitera misahana ny Fanavaozana, amin’ny alalan’ny Fitaleavam-paritra, ny manentana sy mampiroborobo izany fanovana izany eny ifotony.
# MCR # Fanavaozana
# Fifanajana
# Fiarahamientana
# Fanolorantena