πŸπŸ‘ π¬πžπ©π­πšπ¦π›π«πš πŸπŸŽπŸπŸ” | 𝐍𝐞𝐰 𝐘𝐨𝐫𝐀 πŸ‡ΊπŸ‡Έ
🀝 π…πšπ§πšπ¨π―πšπ§-𝐭𝐬𝐨𝐧𝐒𝐚 𝐟𝐒𝐟𝐚𝐧𝐚𝐫𝐚𝐑𝐚𝐦-𝐩𝐒𝐚𝐫𝐚𝐑𝐚-𝐦𝐒𝐚𝐬𝐚 𝐞𝐨 𝐚𝐦𝐒𝐧’𝐧𝐲 π…π’πŒ 𝐬𝐲 π†π„πŒπ‚πŽπ‘π π‚πšπ©π’π­πšπ₯ π‹π’π¦π’π­πžπ
Notanterahina tao New York, teo anivon’ny Firenena Mikambana, ny fanavaozan-tsonia ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Fonds Souverain Malagasy (FSM) sy ny GEMCORP Capital Limited, teo ambany fiahian’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, Kolonely RANDRIANIRINA MichaΓ«l.
πŸ’° Mikendry ny hanamafisana ny Fond Souverain Malagasy sy hisarihana famatsiam-bola hatrany amin’ny 500 tapitrisa dolara ho an’ireo tetikasa stratejika sy laharam-pahamehana ho an’i Madagasikara ity fiaraha-miasa ity.
🎯 Anisan’ny sehatra kendrena ny angovo, ny famatsian-drano fisotro madio ary ireo fotodrafitrasa stratejika, ho fanohanana ny fampandrosoana ara-toekarena sy sosialin’ny Firenena.