πŸ“Faritra Analanjirofo- Kaominina Fenoarivo Atsinanana
π…πšπ€πšπ§-𝐀𝐞𝐯𝐒𝐭𝐫𝐚 𝐞𝐧𝐲 𝐒𝐟𝐨𝐭𝐨𝐧𝐲: 𝐍𝐚𝐧𝐠𝐚𝐭𝐚𝐀𝐚 𝐟𝐒𝐚𝐫𝐚𝐑𝐚-𝐦𝐒𝐚𝐬𝐚 πšπ¦π’π§β€™π’π«πžπ¨ 𝐒𝐫𝐞𝐨 𝐬𝐞𝐟𝐨𝐦-𝐩𝐨𝐀𝐨𝐧𝐭𝐚𝐧𝐲 𝐧𝐲 π“πšπ₯𝐞𝐦-𝐩𝐚𝐫𝐒𝐭𝐫𝐚 𝐦𝐒𝐬𝐚𝐑𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 π…πšπ§πšπ―πšπ¨π³πšπ§πš
πŸ”΄Ao anatin’ny Fikaonandoham-pirenena izay tarihin’ny FFKM, dia mitondra tantsoroka ara-teknika sy ara-kevitra amin’ny fizotry ny fakan-kevitra ny Minisitera misahana ny Fanavaozana. Miara-miasa akaiky amin’ireo ben’ny tanΓ na sy ny sefo fokontany ny Minisitera amin’ny fanentanana ny vahoaka eny ifotony.
🟒Nandritra ny fitsidihana ara- pomba fifanajana izao nataon’ny ekipan’ny Fitaliavam-paritry misahana ny Fanavaozana ho an’ny faritra Analanjirofo izay notarihin’ny talem- paritra, Andrianandraina Aldine, omaly 10 aogositra 2026 tao amin’ny Ben’ny tanΓ nan’ Ambonivohitra Fenoarivo Atsinanana dia nangatahana ny fampiantsoana ireo sefom-pokontany ao amin’ny Kaominina Fenoarivo -Atsinanaa mba hampahafantarana sy hanentanana mahakasika ny fanavaozana sy ny fakan-kevitra miainga avy eny ifotony.
πŸ‘‰Tapaka tao anatin’ny fifampiresahana fa ny alakamisy 13 aogositra 2026 no hotanterahana ny fihaonana sy fivoriana miaraka amin’ireo sefo fokontany ao amin’ny efitrano malalaky ny Kaominina.
#mcr #fikaonadoha#Fanavaozana
#fifanajana#FiarahaMientana#fanolorantena