π…πšπ‘πšπ―π¨πšπ³πšπ§πš 𝐧𝐚𝐑𝐚𝐳𝐨 𝐧𝐲 π“π¬πžπ§πš 𝐁𝐚𝐳𝐚𝐫 𝐊𝐞π₯𝐲 π“π¨πšπ¦πšπ¬π’π§πš

03 Aogositra 2026πŸ“ Toamasina
Β 
Ny 03 Aogositra 2026 dia nidina teny an-toerana ny Talem-paritra Misahana ny Fanavaozana Atsinanana Rtoa Blandine Voizy nijery ifotony ny zava-nisy sy nitafa tamin’ireo mpivarotra tratran’ny loza.
πŸ”₯Vokatry ny hain-trano dia may sy rava ny fananana ary ny fiveloman’ireo mpivarotra maro. Mampalahelo ihany koa fa nisy aina nafoy tamin’ity voina ity.
πŸ“Amin’izao fotoan-tsarotra izao dia maneho firaisankina amin’ireo traboina ny fanjakana ary manamafy ny fahavononany hiara-dia sy hanohana azy ireo, amin’ny fiaraha-miasa amin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny, mba hanarenana tsikelikely ny fiveloman’ireo voakasiky ny loza.
Ny Minisitera Misahana ny Fanavaozana dia mirary fiononana feno ho an’ny fianakavian’ireo namoy havana ary mampahery ho an’ireo rehetra traboina tratran’ ity voina ity.
# Fifanajana
# Fiarahamientana
# Fanolorantena