MCR
Ministรจre Chargรฉ de la Refondation
MCR
Ministรจre Chargรฉ de la Refondation
๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐ ๐๐๐๐๐๐๐-๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐' ๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐๐๐'๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐๐๐๐'๐๐ ๐ ๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐
Nisy ny fitsidihana fanaovam-beloma nataonโi Ramatoa Sabine Laubert Mpanolotsaina momba ny Zonโolombelona ao aminโny Firenena Mikambana anโi Minisitra Misahana ny Fanavaozana Maรฎtre Hanitra Razafimanantsoa.
ย
Nandritra ny fihaonana no noresahana ny tombana momba ny asa vitany teto Madagasikara nandritra ny fotoam-piasany izay nitondrany anjara biriky lehibe teo aminโny fampiroboroboana sy fiarovana ny zonโolombelona, sy nanohanany ireo iraka sy ezaka natao hiarovana ny zon’olombelona.
ย
Nandray anjara ihany koa taminโny fanadihadiana ny zava-misy sy ny fifampidinihana, izay nanampy taminโny fanamafisana ny fifanakalozan-kevitra sy ny fahazoana tsara ny hetahetanโny olom-pirenena.
ย
Taminโity fihaonana ity dia namporisika ny Filohan’ny Fanavaozana sy ny Minisitera Misahana ny Fanavaozana ihany koa izy mba hanohy ny ezaka sy ny asa Fanavaozana, indrindra aminโny fanajana ny zonโolombelona, ny fifampidinihana ary ny firaisankina.
ย
ยซย Fisaorana feno no atolotra azy noho ny fiaraha-miasa sy ny fanohanana nentiny nandritra ny fotoana niasany teto Madagasikara ary mirary soa azy amin’ny asa vaovao hiantsorohanyย ยป