π…πˆπ“π’π€π‘π€ππ€ π€πŒππ€π‘π€π“πŽππ†π€ π•πŽπ€π‹πŽπ‡π€ππ˜ π…π„ππŽπ€π‘πˆπ•πŽ π€π“π’πˆππ€ππ€ππ€

πŸ“… 11 Septambra 2026
πŸ“ Fenoarivo Atsinanana – Faritra Analanjirofo
Β 
Nandray tamin’ny fomba ofisialy ny asany ny 11 Septambra 2026, ny Mpampanoa LalΓ na (Procureur de la RΓ©publique) vaovao ao amin’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany (TPI) Fenerivo Atsinanana Andriamatoa RAMILIJAONA AimΓ© Marius.
βš–οΈ β€œHametraka fitsarana manakaiky vahoaka sy atokisan’ny olona, hisorohana ny fitsaram-bahoaka, ary handray anjara amin’ny famahana ny olan’ny ady tany izay mampalaza an’i Fenerivo Atsinanana”, hoy izy nandritra ny fandraisany ny andraikitra.
πŸŽ–οΈ Nivoitra izany nandritra ny fotoam-pitsarana manetriketrika nametrahana azy tao amin’ny efitranom-pitsarana SahavΓ΄la.
🀝 Tonga nanatrika ny fotoana ny Lehiben’ny Faritra Analanjirofo Me Tody Arnaud, ny Talem-paritra Misahana ny Fanavaozana Analanjirofo, Rtoa Andrianandraina Aldine Bernadette ary ireo olo-manakaja ambony avy ao amin’ny Faritra.
# MCR # Fanavaozana
# Fifanajana
# Fiarahamientana
# Fanolorantena