MCR
Ministรจre Chargรฉ de la Refondation
MCR
Ministรจre Chargรฉ de la Refondation
๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐๐๐๐๐-๐๐๐๐๐๐๐๐๐ : ๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐โ๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐โ๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐๐๐๐๐๐โ๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐ ๐๐๐๐๐๐-๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐-๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐๐๐-๐๐๐๐
๐ณ๐๐๐๐’๐ ๐ด๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐
[๐ญ๐๐๐-24 ๐๐๐๐๐๐๐๐๐ 2026]
Antananarivo, 24 septambra 2026 โ Notontosaina androany teny anivonโny Primatiora ny atrikasa fampahafantarana sy fanentanana momba ny fitsipi-pifehezana ara-tetibola sy ara-bola, nokarakarainโny Conseil de Discipline Budgรฉtaire et Financiรจre (CDBF) ho anโireo tomponโandraikitra ambony sy ireo mpisehatra aminโny fitantanana ny volam-panjakana eo anivonโny Primatiora.
Ity hetsika ity dia tafiditra ao anatinโny fandaharanโasanโny CDBF aminโny taona 2026, izay mikendry ny hanamafy ny fahalalana sy ny fahazoanโireo tomponโandraikitra ny andraikitry ny CDBF, ny lalร na sy ny fitsipika mifehy ny fitantanana ny volam-panjakana, ary ireo fahadisoam-pitantanana mety hiteraka sazy. Natao ihany koa izy ity mba hametrahana sehatra fifanakalozan-kevitra mivantana eo aminโireo mpisehatra ara-tetibola sy ny CDBF.
Ny CDBF, izay rafitra napetraka eo anivonโny Praiminisitra, Lehibenโny Governemanta, dia manana andraikitra aminโny fisorohana sy ny fanasaziana ireo fahadisoam-pitantanana eo aminโny sehatry ny volam-panjakana, ho fampiroboroboana ny fitantanana ara-bola mendrika sy tomponโandraikitra.
Nandritra ny fandraisam-pitenenany dia nanamafy ny Praiminisitra, Lehibenโny Governemanta, RAJAONARISON Mamitiana, fa mifamatotra mivantana aminโny fampandrosoana sy ny fanatsarana ny fari-piainanโny mponina ny fomba fitantanana ny volam-panjakana.
ยซ Rehefa tsara tantana ny volam-panjakana dia mivoatra sy mihatsara ny fiainanโny Malagasy. ยป
Notsindriany fa tsy resaka fanajana ny lalร na sy ny fitsipika ihany ny fitantanana madio sy mahomby, fa fototra iray hananganana indray ny fifampitokisana eo aminโny vahoaka sy ny mpitantana ny raharaham-panjakana.
ยซ Rehefa madio ny fitantanana ny volam-panjakana dia tsy misy ny krizy satria mifampatoky ny mpitondra ny raharaham-bahoaka sy ny vahoaka ยป, hoy ny Praiminisitra.
Nambarany ihany koa fa anisanโny fanamby lehibe eto aminโny firenena ny famerenana izany fifampitokisana izany. Araka ny fanazavany, ny tena fampihavanana ilainโny firenena dia ny fampihavanana ny mpitondra sy ny vahoaka, satria ny fahaverezanโny fifampitokisana no isanโny olana mila harenina. Ny mangarahara, ny fahitsiana ary ny fandraisana andraikitra aminโny fitantanana ny volam-bahoaka no isanโny lalana lehibe ahafahana mametraka indray izany fifampitokisana izany.
Notsiahivina nandritra ny atrikasa fa ny teti-bolam-panjakana dia tsy tokony horaisina ho lisitry ny fandaniana na tetikasa fotsiny, fa fitaovana entina manatanteraka ny vina sy ny laharam-pahamehanโny Fanjakana. Noho izany, ny ariary tsirairay avy aminโny hetra, ny haba sy sara, ary koa ireo vola azo avy aminโireo mpiara-miombonโantoka, dia tokony hampiasaina amim-pahitsiana sy amim-pahombiazana ho aminโny asa fampandrosoana.
Misy fiantraikany mivantana aminโny fiainanโny vahoaka ny kalitaonโny fitantanana ny volam-panjakana. Ny fahadisoam-pitantanana, ny fandaniam-bola tsy voafehy na ny tsy fanajana ny fomba fiasa dia mety hanemotra ireo asa fampandrosoana, toy ny fanamboarana lalana, ny fanatsarana ny hopitaly sy ny tolotra ara-pahasalamana, ary ny fanatsarana ny sekoly sy ny tontolonโny fampianarana.
Nohamafisina araka izany fa andraikitra mavesatra fa tsy tombontsoa manokana ny fitantanana ny volam-bahoaka, ka ny mpisehatra rehetra eo aminโny rojo ara-tetibola sy ara-bola dia tokony hanaiky ny tamberinโandraikitra mifanaraka aminโny andraikiny.
Nambaranโny Praiminisitra ihany koa fa tokony hipetraka ho modely azo alain-tahaka ny Primatiora aminโny fitantanana mangarahara sy manaja ny fitsipi-pifehezana ara-tetibola sy ara-bola. Izany indrindra no maha-zava-dehibe ny fanombohana ity fanentanana eo anivonโny andrim-panjakana ity aminโny Primatiora. Efa nanatanteraka hetsika fampahafantarana tany aminโny faritra sy antokon-draharaham-panjakana maro ny CDBF, ary mitohy ny fanitarana izany aminโireo andrim-panjakana samihafa.
Nentanina ireo tomponโandraikitra sy mpisehatra rehetra handray anjara mavitrika aminโny fametrahana kolontsainโny fahitsiana, ny mangarahara, ny fitsipi-pifehezana ary ny tamberinโandraikitra eo aminโny fitantanana ny raharaham-panjakana, mba hahatonga ny volam-panjakana ho tena fitaovana mitondra fampandrosoana azo tsapain-tanana sy fanatsarana ny fiainanโny Malagasy.
๐ก๐ ๐ฆ๐ฒ๐ฟ๐ฎ๐๐ฒ๐ฟ๐ฎ