π…πˆπ‡π€πŽππ€ππ€ π“π„πŽ π€πŒπˆπβ€™ππ˜ π“π€π‹π„πŒ-ππ€π‘πˆπ“π‘π€ πŒπˆπ’π€π‡π€ππ€ 𝐍𝐘 π…π€ππ€π•π€πŽπ™π€ππ€ π€ππ€π‹π€ππ‰πˆπ‘πŽπ…πŽ π’π˜ 𝐍𝐘 π…πˆπ‹πŽπ‡π€πβ€™ππ˜ π•π€πŽπŒπˆπ„π‘π€πŒ-ππˆπ…πˆπƒπˆπ€ππ€ππ€

πŸ—“16 Septambra 2026
πŸ“ FARITRA ANALANJIROFO – Distrikan’i Fenoarivo Atsinanana
Β 
➑Nisy ny fihaonana teo amin-dRamatoa ANDRIANANDRAINA Aldine Bernadette, Talem-Paritra misahana ny Fanavaozana Analanjirofo, sy Andriamatoa INTSOLA DΓ©sirΓ©, Filohan’ny Vaomieram-Pifidianana Paritra (CER) Analanjirofo, tao amin’ny birao fiasany.
πŸ”–Nifantoka tamin’ny fametrahana fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta ny dinika, ho fanohanana ny fanavaozana ny fitantanana ny fifidianana (Refondation de la gouvernance Γ©lectorale) eto amin’ny Faritra Analanjirofo.
πŸ“Nandritra ny fifanakalozan-kevitra dia nanazava ny paikady ampiharina amin’ny fanoratana anarana ao anatin’ny lisitry ny mpifidy ny Filohan’ny CER. Notsiahivina ihany koa ireo olana sedrain’ny CER, toy ny tsy fahampian’ny mpiasa sy ny fitaovana, ny tsy fahampian’ny efitrano fiasana, ary ny faharatsian’ny lalana mankany amin’ny kaominina sasany, izay mety hiteraka fahatarana amin’ny fampitana ny anaran’ireo mpifidy any amin’ny renivohim-paritra
πŸ“’ Manoloana ireo olana ireo dia manamafy ny ezaka ataony ny CER Analanjirofo amin’ny fanakaikezana ny vahoaka. Anisan’izany ny fanatonana ireo toeram-piasana sy toerana be olona, mba hanamorana ny fanoratana anarana ho an’ireo izay tsy tratra tao an-tokantranony nandritra ny fandalovan’ireo mpanisa mpifidy.
πŸ“Š Araka ny antontan’isa vonjimaika nozarain’Andriamatoa INTSOLA DΓ©sirΓ©, dia manodidina ny 38% ny tahan’ireo mpifidy voasoratra anarana ao amin’ny Faritra Analanjirofo sy Ambatosoa amin’izao fotoana izao.